airtel

Actualités

16-oct-2024

Fahalalahan’ny fanaovan-gazety

Novetavetaina teny amin’ny Lapan’ny demokrasia indray !

Sample post image

Lasibatra indray ny mpanao gazety maro omaly, raha saika hanangom-baovao nandritra

16-oct-2024

ny fanokafana ny fivoriana ara-potoanan’ny Antenimierampirenena tetsy Tsimbazaza omaly. Teny am-bavahady dia efa nosakanana, nanaovana sivana, ka mpanao gazety manodidina ny 30 no voasakana. Haino aman-jery 12 notsongaina manokana ihany no nahazo alalana hiditra tao amin’ity ambara fa lapan’ny demokrasia iasan’ny fahefana mpanao lalàna ity, araka ny lisitra nomena ny mpiambina. Mpikambana ao amin'ny birao maharitra no nanome baiko an'ireo mpiambina raha araka ny voalazan'ny solombavambahoaka iray. Niditra an-tsehatra ireo solombavambahoaka sasany izay vao afaka niditra, saingy mbola nanahirana ihany koa aza ny fahafahana naka vaovao tao an-dapa. Voahosihosy indray ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety sy ny zon’ny olom-pirenena rehetra hahazo vaovao, araka voalazan’ny lalàmpanorenena ao amin’ny andininy faha-10 sy faha-11n’ny Lalàmpanorenena. Ny andininy faha-77 amin'ny Lalampanorenana ihany koa no maneho, fa azon'ny daholobe atrehina ny fivoriana ao amin’ny Antenimierampirenena, raha tsy hoe misy ny fangatahan’ny ampahefatr’ireo mpikambana hanao fivoriana mikaton-trano. Andrim-panjakana Malagasy io fa tsy sehatra tsy miankina, ary fivoriana azon’ny daholobe atrehina no tao, saingy nihariharihary indray ny endrika fanilikilihana atao ny mpanao gazety. Fomba fiasa izay ampahany ihany io niseho tao Tsimbazaza io, fa fomba fiasan’ny ankamaroan’ny sehatra ara-panjakana samihafa eto ny manivana sy tsy miantso sy manivana sy manilika mpanao gazety indrindra fa ireo sokajiany ho mitsikera na manakiana ny fitondram-panjakana eo amin’ny zotran-dahatsoratra. Ekena fa manana ny fandaminany ny departemanta tsirairay, saingy tsy tokony hisy ny sivana ankitsirano amin’ny mpanao gazety rehefa tonga haka vaovao amin’ny sehatra ara-panjakana satria volam-panjakana, volam-bahoaka,... no mampiodina azy ireny, ka manan-jo hahalala sy hahafantatra sy hahalala vaovao misy amin’ny alalan’ny mpanao gazety ny olom-pirenena rehetra. Efa sary nitranga tamin’ny andron’ny coronavirus ny fangejana niaraka ireo haino aman-jery kanefa rehefa misy ny tokony ho tombotsoa iraisana, toy ny famoahana ireny antso mikasika tsenambaro-panjakana ireny, dia betsaka no voasivana. Hatrany amin’ny ambara fa lapan’ny demokrasia aza moa izao no mitranga ka asa na fananan’antoko na fananana vondrona politika no hanasokajiana ny andrim-panjakana sy departemantam-panjakana eto amintsika ? Sao mba fotoana hanintsiana ny tsy mety hatrizay izao e ?
Toky R
Sary indrana
 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Manamafy ny Fanjakana fa tsy mahasehaka ny saran’ny famokarana ny saran’ny famarotana ny angovon’ny Jirama,

Card image cap
17-oct-2024

Tsy ny famatsian-drano avy amin’ny JIRAMA na Jiro sy rano malagasy ihany amin’izao fotoana

Card image cap
17-oct-2024

Mahazo vahana tanteraka ny asa fivarotan-tena eto amintsika. Ankoatra ny amin’ny tambajotran-tserasera Facebook

Card image cap
OJM
16-oct-2024

Nitondra fampahatsiahivana ny Biraon’ny Holafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara na ny OJM

Card image cap
16-oct-2024

Raha tiantsika hiarina i Antananarivo dia jereo izay olona tsy nanao kolikoly, hoy ny mpanabe

Card image cap
16-oct-2024

Notokanana omaly ny fonjaben’Avaradrano mivelatra amin’ny velarana 13 000m2 izay mahazaka olona eo amin’ny

Card image cap