airtel

Actualités

20-juin-2024

Fahavitan’ny Miami

Tsy nampiala ny loto tao Toamasina

Sample post image

Andro vitsy lasa izay no notokanana ny torapasika voatrolombelon’i Miami

20-juin-2024

na ilay nomen’ny filoham-pirenena malagasy, Andry Rajoelina, anarana hoe Miray hina sy mifankatia ao Toamasina. Tsy hiverenana intsony moa ny adihevitra mikasika ny hoe tsy izany akory no nampanantenain’ny filoham-pirenena malagasy ankehitriny, fony izy mbola kandida ho filoham-pirenena tamin’ny taona 2018 fa tena mitovy amin’ilay Miami any Etazonia mihitsy. Tsara noho ny any aza. Kinanjo moa tsy izay tampoka indray no fitrangany taty aoriana. Tsetsatsetsa tsy aritra iny fa raha ny fampitan-tsary nomen’ireo mpiala sasatra any Toamasina amin’izao fotoana izao aloha dia tsy nampiala ny loto tao Toamasina tampon-tanàna ny fahavitan’ity fotodrafitrasa nireharehana fatratra fa hampiditra 40 miliara Ariary isan-taona amin’ny alalan’ireo vahiny mpizahatany ho avy eto ity. Ilay lalana vita tara na «goudron» mirefy 2km vao notokanana vao haingana niaraka taminy tao ve izany no tena hisarika izany mpizahatany vahiny hampiditra volabe izany sa ilay anarana dika mitovy amin’ny hita any amin’ny firenen-kafa, hoy ny fanontanian’ireo mpanara-baovao? Mandra-pahoviana izany no hiainana hatrany ity haingo ambony tsikoko amin’ny alalan’ny fitokanana fotodrafitrasa tsy mety hita hatramin’izao mihitsy izay fiantraikany amin’ny tena fiainam-bahoaka marina ity? Ekena fa asa, hoy ny mpamakafaka raharaham-pirenena, Miary Rasolofoarijaona, izay, ny hopitaly manara-penitra sy ny kianja manara-penitra na teleferika, saingy mamaha ny olana ara-tsosialy sy ara-toekarena ve iainantsika amin’izao fotoana izao ve? Mamaha ny olan’ny tsy fandriampahalemana sy ny tsy fisian’asa ve na ny vidim-piainana sy ny fidangan’ny vidin-tsolika? Manala ny kere any atsimo ve izany rehetra izany na ny olan’ny rano sy ny herinaratra manerana ny nosy? Samy seho ivelany na haingo ambony tsikoko hatrany moa no resaka eto. Seho ivelany hita ho mbola tsy nampiala ny loto toy ity hita tao Toamasina ity.
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Manamafy ny Fanjakana fa tsy mahasehaka ny saran’ny famokarana ny saran’ny famarotana ny angovon’ny Jirama,

Card image cap
17-oct-2024

Tsy ny famatsian-drano avy amin’ny JIRAMA na Jiro sy rano malagasy ihany amin’izao fotoana

Card image cap
17-oct-2024

Mahazo vahana tanteraka ny asa fivarotan-tena eto amintsika. Ankoatra ny amin’ny tambajotran-tserasera Facebook

Card image cap
OJM
16-oct-2024

Nitondra fampahatsiahivana ny Biraon’ny Holafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara na ny OJM

Card image cap
16-oct-2024

Raha tiantsika hiarina i Antananarivo dia jereo izay olona tsy nanao kolikoly, hoy ny mpanabe

Card image cap
16-oct-2024

Lasibatra indray ny mpanao gazety maro omaly, raha saika hanangom-baovao nandritra

Card image cap