airtel

Actualités

01-oct-2024

Fahitalavi-panjakana TVM

Nahazo fitaovana raitra avy amin’ny Japoney

Sample post image

Noraisina ofisialy omaly tetsy amin’ny ORTM Anosy ny fitaovana mitentina 163 700 000Yen na 5 miliara Ar

01-oct-2024

eo avy amin’ny Japoney hanatsarana ny famokarana fandaharana sy ny fandaharana ao amin'ny fahitalavitra Malagasy na ny TVM. Tetikasa mikendry ny hanatsara ny fahaiza-manao amin'ny famokarana fandaharana amin'ny fahitalavitra ho an'ny TVM, novatsian’ny vahoaka Japoney tamin’ny alalan’ny JICA vola fanomezana, tsy averina. Voasokajy ho fitaovana raikitra sy manara-penitra ho an’ny fahitalavitra moa ireo. Tafiditra tao anatin’izany ny fampitaovana informatika hiaka farany, ny rindrambaiko, fitaovana maoderina samihafa, niampy horonan-tsary fanadihadiana 87 sy fandaharana momba ny fanabeazana 55 novokarin'ny NHK (Nippon Hoso Kyokai) orinasa ho an'ny radio sy fahitalavitra any Japon. Nisy fampiofanana manokana ho an’ny mpiasan’ny TVM hikirakira ireo fitaovana sy hizarazara ny fomba fanao tsara avy amin'ny vahoaka Japoney amin'ny alalan'ny fandefasana ny fandaharana amin'ny NHK. Ankoatra izany, nisy studio vaovao ho an'ny fanavaozana ny fanolorana ny vaovao, fanovana sy fanatsarana ihany koa ny efitrano, izay ezaka manokan’ny Minisiteran’ny serasera sy ny kolontsaina tamin’ny alalan’ny ORTM ho fanatsarana ny ivelany. Ny filoham-pirenena Andry Rajoelina, ny minisitry ny Fampitam-baovao sy ny Kolontsaina, Mara Volamiranty Donna, ary ny Tale Jeneralin'ny ORTM Nampoina Ranarivelo no nisolo tena ny Fanjakana Malagasy nandray ny fampitaovana avy amin’ny Japoney notarihin’ny ambasadaoro Abé Koji, niaraka tamin'ny solontena maharitra ny JICA eto Madagasikara, Tanaka Kaori.

Nilaza ho manoratra tantara moa ny Filoham-pirenena satria ny taona 1957 no nananganana ny TVM, izay ny Filoha Tsiranana no nanangana izany, ka rariny hoy izy raha izay indray no manao izany izao. Tantara isan’ny tsy hay kosehina, dia nandritra ny fanonganam-panjakana 2009 no nandorana ny TVM, ka may avokoa ny vakoka sy tahiry samihafa.
Toky R

 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Manamafy ny Fanjakana fa tsy mahasehaka ny saran’ny famokarana ny saran’ny famarotana ny angovon’ny Jirama,

Card image cap
17-oct-2024

Tsy ny famatsian-drano avy amin’ny JIRAMA na Jiro sy rano malagasy ihany amin’izao fotoana

Card image cap
17-oct-2024

Mahazo vahana tanteraka ny asa fivarotan-tena eto amintsika. Ankoatra ny amin’ny tambajotran-tserasera Facebook

Card image cap
OJM
16-oct-2024

Nitondra fampahatsiahivana ny Biraon’ny Holafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara na ny OJM

Card image cap
16-oct-2024

Raha tiantsika hiarina i Antananarivo dia jereo izay olona tsy nanao kolikoly, hoy ny mpanabe

Card image cap
16-oct-2024

Lasibatra indray ny mpanao gazety maro omaly, raha saika hanangom-baovao nandritra

Card image cap