airtel

Actualités

08-janv-2025

Famahana ny Delestazy

Poakaty mandavan-taona, mialà fa tsy mahomby!

Sample post image

Ny taona 2024 no nivalona fa ny olana nolovaina taminy sy ny ronono an-tavin'ny fitondrana mbola mitoetra.

08-janv-2025

Nanao ranolava ny fihetsiketsehana ivelany nilazana fa hivaha ny olan'ny delestazy. Nampanantenaina fa hampiasaina ireo milina mandeha amin'ny solika handaniana 300 tapitrisa Ar, ny filoham-pirenena tenany mihitsy no niditra an-tsehatra nilaza fa tsy hisy fahatapahan-jiro intsony ao anatin'ny ora fiasana (amin'ny 6ora maraina hatramin'ny 10ora alina). Potika ny fihariana maro mila herinaratra. Ny rehetra no afaka mitsara ankehitriny hoe: voahaja ve izany!? Marina sa diso!? Nahomby sa mpandainga sy mpamahan-dalitra ny mpitondra!? Mibaboka indray ny Jirama ankehitriny fa tsy ampy solika, tsy ampy rano,... Dia miverina hatrany ny olana. Raha any ivelany, efa nisy tompon'andraikitra tokony ho nametra-pialana na ny eo anivon'ny Jirama na ny eo anivon'ny Minisiteran'ny angovo satria tsy mahomby. Hatramin'ny fitondrana Foibe aza no mila miala toy ny nataon'ny Praiminisitra Kanadianina Justin Trudeau raha izao fahasimban'ny Firenena izao.

FAMPANANTENANA MANDAVAN-TAONA
Fampanantenana no betsaka fa ny vokatra mbola poakaty, niainga tany amin'ny 400MW anatin'ny 5 taona nolazaina 6 taona lasa, 500MW anatin'ny 4 taona nolazaina vao haingana, 250 MW anatin'ny herintaona nolazaina vao tsy ela,... Dia io fa mbola mitohy ny ronono an-tavy ka nilazan'ny Praiminisitra ny alatsinainy teo fa vaindohan-draharahan’ny fitondram-panjakana ny fampiakarana ny fari-piainan’ny Malagasy ho amin’ny tsara kokoa hatrany. Nambara fa ao anatin’izany ny fisitrahana araka ny tokony ho izy ny jiro, ny rano, ny fanamboaran-dalana, ny ezaka sy tetikasa rehetra hahatongavana amin’ny fahavitantena ara-tsakafo,... Tsy vao omaly sy androany no nandrenesana fampanantenana poakaty, raha tsy hilaza afatsy ny tamin'ny janoary 2022 tahaka izao nolazain'i Andry Rajoelina fa ho foana afaka 6 ka hatramin'ny 8 volana ny delestazy. Ankehitriny, adin'ny roa miverimberina ka manodidina ny adin'ny folo iray andro.

MILA VELARINA NY ANGOVO AMIN’NY HERIN’NY MASOANDRO
1 miliara ariary isanandro no lany amin'ny solika fanampiny. Dia ireo atolotra anareo ireo ary ireo orinasa mpivarotra "panneau" sy "batterie Lithium" izay isan'ny tsara indrindra. Ny "panneau" moa dia misy antpka 30 taona. Jereo tsara fa manome 0,2 usd (900 Ar) izany ny WATT. Raha miampy ny "convertisseur" sy ny "batterie de sécurité" sy ny fitaterana dia manome 2000 ar eo ny WATT farafahabetsany. Izany hoe raha 100 miliara ariary isaky ny 3 volana izany no lany amin'ny solika fanampiny dia mety ahavita 35 000 tafo isaky ny 3 volana ny firenena amin'io fandaniana mihoampampana io (1400 WATT isan-tokantrano isanandro). Tsy misy haban-tseranana ny kojakoja solaires, hoy ny soso-kevitra efa naroson'Atoa Tahina Razafinjoelina. Herintaona izay no efa tonga tao Toamasina ireo fitaovana lazaina fa hanaovana centrales solaires miisa 47 saingy inona no olana no tsy misy mijoro hatramin'izao? Nanaovana bemidina tany Toamasina iray volana lasa hoe: avoaka dia aiza ho aiza ny tohiny? Raha ny vola atontona hividianana solika sy hanampiana lava ny Jirama ve tsy hahafahana manao tetikasa angovo mahaleotena amin'ny alalan'ny herin'ny masoandro ho an'ny antsasaky ny trano eto Antananarivo? Nahoana no mikatso ireo tetikasa lehibe toa an'i Volobe sy Sahofika?
Toky R
 

Dans la même rubrique

15-janv-2025

Samy velom-panontaniana ny mpanara-baovao tato anatin’ny herinandro izay manoloana ireo

Card image cap
15-janv-2025

Niparitaka nanomboka omaly ny didy fampikarohana an’i Bekasy Johnfrince. Karohin'ny polisin'ny

Card image cap
15-janv-2025

Raim-pianakaviana iray antsoina hoe Hery na Iaban’i Sarah no namoy ny ainy tao amin'ny Kaominina Ranotsara

Card image cap
15-janv-2025

Miha tery hatrany ny fahafaha-mivelona na fivelomana eto Madagasikara, indrindra, taorian’ny fidiran’ny

Card image cap
15-janv-2025

Ny lafiny famoronana sy fanatontosana, ireo sisa tena olana amin’ny sarimihetsika malagasy,

Card image cap
15-janv-2025

Efa kely sisa dia maherin’ny herintaona no nisian’ny ranobe tsy mety ritra etsy Andravoahangy ambany.

Card image cap