Vidin-tsolika moa no hamehezantsika malagasy azy na resaka ilay tena solika na «gasoil» io na ny lasantsy na ny solitany na «petrol». Heverina ho ao anatin’ny tokontanin’ny atao hoe famahana ny olan’ny angovo eto Madagasikara avokoa izany na dia miteraka adihevitra marobe toy ny hoe hay ve izy io azo ampidinina ihany izany? Isan’ny fanontaniana apetraky ny mpanara-baovao samihafa koa ny hoe fa naninona tamin’ireny fotoanan’ny COVID 19 ireny no nahavita nampidina ny azy daholo ny firenen-kafa, nisy aza hoy ny mpahaitoekarena, Jean Jacques Ratsietison izay, firenena sasany, ireo izay naka ny solika tao aminy indray no nomena vola? Isika irery no tsy nanetsika ny vidiny fa nampiakatra hatrany aza dia io vao mba mody nampidina izany io tamin’ireny fotoana ireny. Etsy ankilany dia tsikaritra ho nahamay indray ny fahatapahan’ny herinaratra lavareny na delestazy sy rano indray tamin’iny sabotsy iny, raha ny angom-baovao tamin’ireo toerana samihafa teto an-drenivohitra sy ny manodidina. Hita ho miantraika amin’ny herinaratra sy rano hatrany hatreto, araka izany, ny famahana ny olan’ny angovo eto amin’ity Madagasikara ity. Miandry vahaolana maharitra.
Nangonin’i J. Mirija
Tsy hisy indrafo ho an’ireo mpandoro tanety sy mpandoro ala ary tsy hahazo fahafahana vonjimaika sy fahafahana
Niantona ny orana, miha miakatra indray ny marimpana, raha ny toetr’andro hita teto
Niaiky ny Sekretera jeneraly eo anivon’ny Sendikan’ny polisy na ny SEFPONAM Randriamihamina Alphonse
Mirongatra ny ady tany sy ny fibodoana fananan’olona eto amintsika.
Lakan-drano mirefy 10 Km hatreto no voadion’ny Kaominina Antananarivo renivohitra sy ny birao nasionaly
Ahitana trangan-javatra maro samihafa ao Toamasina ao.