airtel

Actualités

01-oct-2024

Famahana ny olan’ny jiro sy rano

Betsaka izay resaka poakaty izay, 1000MW anatin’ny 4 taona indray !

Sample post image

Nilaza ingahy Filoha Andry Rajoelina fa mahita sy maheno ny fitarainan’ny vahoaka,

01-oct-2024

ary mahatsapa fa tena sarotra sy mafy ny tsy misy rano sy jiro, saingy mandrak’ity ny androany mbola fampanantenana no betsaka. Nanambara indray i Andry Rajoelina fa tsy ampy ny fanazavan’ny tompon’andraikitra eo anivon’ny Jirama. Ny olana dia misy, ny vahaolana dia anjaran’ny fitondrana Malagasy, ka tsy maintsy mahita vahaolana, hoy i Andry Rajoelina, saingy mbola nitanisa olana ihany koa aloha no tena nataony. Main-tany izao, ny olona mampiasa vovo lasa mampiasa ny ranon’ny jirama. Antananarivo anefa natao ho an’olona 300 000 saingy efa 3 000 000 izao. Inona no nataony sy nisongadina ho an’ny volomboasary nandritra ny tetezamita sy tato anatin’ny 5 taona farany ? Nilaza hivory miaraka amin’ny Jirama indray hamenoana « bonbonnes » erak’Antananarivo. Raikitra ny fitanisana lavadrano 35 sy ny tetikasa Tana Water Free fanampiana ny famokaran-drano eny Akadindratombo, Ambohitrimanjaka,… izay tsy vao izao no niresahana an’ireto farany. Somary nitanisa ny hoe tsy nanao ny mpitondra nifanesy saingy navadika hoe : « isika » tamin’ity indray mitoraka ity. Nilaza fa tsy nanao isika, ka izy no hanangana toho-drano mandeha amin’ny rano indrindraHametraka 250 MW manerana ny Nosy ao anatin’ny herintaona, ka ny 100MW eto Antananarivo amin’ny alalan’ny Parcs Solaires, ary 1000MW ao anatin’ny 4 taona. Lasa 1000MW anatin’ny 4 taona indray aloha izany ilay 500MW nolazain’ny Praiminisitra tany amin’ny Fivoriamben’ny ONU, raha toa ka poakaty ilay 400MW tao anatin’ny 5 taona farany teo, ary raha hampahatsiahy dia efa nisy ihany koa fampanantenana nataon-dRajoelina hanao herinaratra miainga amin’ny herin’ny rivotra na « éolienne » tamin’ny 2012 saingy 12 taona aty aoriana mbola poakaty. Mandeha ny fitanisana fa hatao i Volobe, Sahofika,… 3 taona sy tapany raha kely, ary 5 taona farafahabetsany. Ireny no nambara fa lavitr’ezaka, fa manoloana ny zavam-misy amin’izao, dia nolazaina fa misy ireo milina roa lehibe kanefa mandany 200 000 000Ar isan’andro raha haodina ora efatra isan’andro satria 40 000 litatra anatin’ny adin’ny efatra. Hatramin’ny fiandohan’ny desambra firotsahan’ny orana, ka nilazana fa halefa ireo « turbine » miisa roa na mandany vola be aza, ka tsy ho tapaka, indrindra ao anatin’ny fotoana tena mampiakatra ny filana herinaratra toy ny amin’ny 5ora ka hatramin’ny 9 ora alina. Dia andrasana indray fa efa betsaka izay resaka natao izay !
Toky R

 


 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Manamafy ny Fanjakana fa tsy mahasehaka ny saran’ny famokarana ny saran’ny famarotana ny angovon’ny Jirama,

Card image cap
17-oct-2024

Tsy ny famatsian-drano avy amin’ny JIRAMA na Jiro sy rano malagasy ihany amin’izao fotoana

Card image cap
17-oct-2024

Mahazo vahana tanteraka ny asa fivarotan-tena eto amintsika. Ankoatra ny amin’ny tambajotran-tserasera Facebook

Card image cap
OJM
16-oct-2024

Nitondra fampahatsiahivana ny Biraon’ny Holafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara na ny OJM

Card image cap
16-oct-2024

Raha tiantsika hiarina i Antananarivo dia jereo izay olona tsy nanao kolikoly, hoy ny mpanabe

Card image cap
16-oct-2024

Lasibatra indray ny mpanao gazety maro omaly, raha saika hanangom-baovao nandritra

Card image cap