izay ahitana kaominina miisa 38, anisan’izany Antananarivo Renivohitra, ireo kaominina anatin’ny distrikan’Atsimondrano sy Avaradrano, ary ny Kaominina Ambatomirahavavy ao amin’ny Faritra Itasy. Natao io hijerena vahaolana amin’ny olana sedrain’ny kaominina rehetra, ka nilazan’ny ben’ny tanànan’Antananarivo Renivohitra, Rtoa Harilala Ramanantsoa, fa andro lehibe tokoa satria miaraka mijery vahaolana ny amin’ny olana mety sedrain’ny kaominina rehetra, na ny eto Antananarivo na ireo manodidina. Zava-dehibe hanana lanja bebe kokoa hahenoana ny feonay ny IPAM ary tsy misy kaominina kely na kaominina lehibe, hoy izy. Lany ho Filoha hitantana ny IPAM anatin’ny 2 taona moa manaraka moa ny ben’ny tanànan’Antananarivo. Nohamafisin’ny ben’ny tanànan’Ampitatafika izay nitantana ny IPAM roa taona in-droa nisesy, Atoa Rado Raparaoelina, fa ny IPAM dia manamora ny vahaolana amin’ny olana amin’izao fotoana sy amin’ny ho avy. Lafin-javatra 4 no iombonana: ny fananan-tany, ny fitaterana sy fivezivezenana, ny fitantanana fako, ary ny rano maloto. Ireo no olana iombonana, ka tafiditra ao anatin’ny fifampiresahana sy dinika ihany koa ny fitadiavana sy fandresen-dahatra ireo mpamatsy vola mba hahafahan’ny IPAM manohy ny fivelomany sy manohana ireo ben’ny tanàna vaovao amin’ny fitantanana. Araka ny fanazavan’ny Tale mpanatanteraky ny IPAM, Rtoa Lalaina Razafindrazaka, mifampiditra ireo kaominina anatin’ny IPAM, toy ny hoe: misy mponina avy any Tanjombato miasa eto Antananarivo Renivohitra. Ny kaominina tsirairay dia manana andraikitra hitantana sy hanatsara ireo fotodrafitrasa ao aminy, tsy voatery ny mponina ao aminy no mampiasa izany. Sehatra iray ahafahan’ireo kaominina 38 miara-miasa noho izany ny IPAM, ary misy fikaonan-doha matetika hamahana ireo olana. Anisan’ny olana iombonana ny resaka fako, ka efa nivondrona niaraka tamin’ny mpiara-miombon’antoka ny kaominina maromaro hanatsarana ny fitantanana izany, ary efa eo am-panatontosana izany amin’izao fotoana. Ny foto-kevitra lehibe dia hoe: raha misy olana iombonana, dia vahana amin’ny fiaraha-miombona. Mila famatsiam-bola ny tetikasa, ka mandeha miaraka mitady izany ireo kaominina. Samy mandrafitra tetikasa mifanaraka amin’ny zava-misy amin’ny faritra misy azy, saingy tsy mifanipaka. Tsy ampy ny hoenti-manana ara-bola eny anivon’ny kaominina, ka izany indrindra no antom-pisian’ny IPAM: atambatra ny hery, dia miara-mandeha, hoy hatrany ny Tale Mpanatanteraka. Eo amin’ny lafiny fifamoivoizana, dia azo atao ny mifampidini-dresaka amin’ny fananganana tetikasa lehibe hampiasana “navettes” avy any amin’ireo kaominina manodidina, izay afaka mitondra ireo mpiasa maraina sy mampody azy ireo amin’ny hariva,... Tokony hifampiresahana amin’ireo manana fahefana io tetikasa io, ary rehefa mijoro dia miaraka mitady famatsiam-bola mba hahafahana manatanteraka azy,.. hoy hatrany ny Tale mpanatanteraky ny IPAM. Misy ihany koa ny fanohanana ara-teknika atolotry ny IPAM ho an’ireo kaominina, satria maro amin’izy ireo no tsy manana « Urbaniste » na teknisianina manokana amin’ny sehatry ny fanajariana tanàna, ka manampy amin’izany ny IPAM, hamahana ny olana toy ny resaka fanomezana fahazoan-dalana hanorina, drafitra fanatsarana ny fifamoivoizana,…
Toky R
Misy ifandraisany ny firongatry ny tsy fandriampahalemana sy ny fitotongan’ny
Manizingizina sy manenjan-tsandry ny Fanjakana, fa eo amin'ny tanim-panjakana no nisy ireo trano
Efa tena mihatra amin’ny ain’ny mpiasa taorian’ny COVID 19 ny fijaliana,
Velon-taraina amin’izao fotoana izao ny ankamaroan’ireo mpamokatra sy mpivarotra
Hiditra an-tanety anio Zona 14 Martsa alina na rahampitso Sabotsy 15 Martsa
Nihena ho 65 isa raha voalaza ho 300 isa teo aloha ny trano tsy maintsy harodana