airtel

Actualités

09-juil-2024

Famatsiam-bolan’ny Banky Iraisam-pirenena

Ny fotodrafitrasa no mitana ny lohalaharana

Sample post image

Ny fotodrafitrasa no mitana anjara toerana lehibe indrindra amin’ny famatsiam-bolan’ny Banky Iraisam-pirenena

09-juil-2024

eto Madagasikara, raha ny antontan’isa mivoaka. Ny 34% izany hoe 1,390 miliara dolara tamin’ny famatsiam-bola no tena natokana ho an’ny fotodrafitrasa, raha jerena ny bokin’ny tetikasa nataon’ity rafitra ara-bola ity tamin’ny volana marsa 2024 izay mitentina 4,1 miliara dolara ary ahitana tetikasa 26 nasionaly sy 4 eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Ny fampandrosoana lovain-jafy no faharoa (29% : 1,215 miliara dolara), arahina ny fampandrosoana ny maha olona (26% : 1,092.8 miliara dolara) ary ny fitomboana ara-toekarena, ny fitantanam-bola ary ny fitovian-danja any anaty andrim-panjakana (11% : 435 tapitrisa dolara). Manome tolotra mba hisiana fanadihadiana ary manome torohevitra ihany koa ny Banky Iraisam-pirenena mba hisian’ny fanapahan-kevitra miorina amin’ny zava-misy voarakitra sy mitombona mba hampiharana amim-pahombiazana kokoa ny fampandrosoana eto Madagasikara. Betsaka moa ireo fepetra apetraky ny mpiara-miombon’antoka ara-bola tsy voahajan’ny mpitondra, ka mampihisatra ny tetikasa maro. Mbola marefo ara-bola anefa i Madagasikara, ka tsy tena mahavita mampiodina ny firenena sy manatanteraka tetisam-pampandrosoana amin’ny herintsika manokana. Ny harem-pirenena izay tokony ho fanohitra amin’ny fampandrosoana ratsy tantana, ny vola mba ananana laniana amin’ny rendrarendra sy zavatra tsy mamorona harena,…
Toky R
 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Manamafy ny Fanjakana fa tsy mahasehaka ny saran’ny famokarana ny saran’ny famarotana ny angovon’ny Jirama,

Card image cap
17-oct-2024

Tsy ny famatsian-drano avy amin’ny JIRAMA na Jiro sy rano malagasy ihany amin’izao fotoana

Card image cap
17-oct-2024

Mahazo vahana tanteraka ny asa fivarotan-tena eto amintsika. Ankoatra ny amin’ny tambajotran-tserasera Facebook

Card image cap
OJM
16-oct-2024

Nitondra fampahatsiahivana ny Biraon’ny Holafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara na ny OJM

Card image cap
16-oct-2024

Raha tiantsika hiarina i Antananarivo dia jereo izay olona tsy nanao kolikoly, hoy ny mpanabe

Card image cap
16-oct-2024

Lasibatra indray ny mpanao gazety maro omaly, raha saika hanangom-baovao nandritra

Card image cap