airtel

Actualités

21-août-2023

Actualités

Famatsiana herinaratra any Betsinjaka Toliara Vita toby mandeha amin’ny herin’ny masoandro

Sample post image

Notokanana ny sabotsy 19 Aogositra teo ny tobim-pamokarana herinaratra mandeha amin’ny herin’ny masoandro na ny "centrale solaire"

21-août-2023

tao amin’ny Kaominina Ambanivohitra Betsinjaka Andranomena. Manana tanjaka 2,9 MWc ity tobim-pamokarana ity, 6 000 MWh isan-taona ny herinaratra vokariny, ary 88 kosa ireo "onduleurs" ampiasainy. Maherin'ny 60 000 m2 ny refin'ny toerana misy azy, ary ankoatr'izay dia entona ratsy milanja 0,778 taonina isaky ny MWh no voahiliny tsy hiparitaka anaty natiora, raha ny tatitra. 50% ny vokatra dia hanampiana ny JIRAMA, 7 Miliara 700 tapitrisa Ariary isan-taona ny fitsitsiana vita amin’ny tsy fividianana solika mavesatra noho ity tobim-pamokarana ity. Izy no faharoa ngeza indrindra aty Afrika. Tokatrano 6 324 no misitraka herinaratra voalohany amin'izany, raha 19 000 ny mpanjifa any an-toerana, raha ny fanazavana teknika. Vokatry ny fiaraha-miasa teo amin'ny orin'asa ENELEC sy ny LIDERA GREEN POWER no nanatsanganana izao fotodrafitrasa izao, izany hoe an’ny tsy miankina. Ny filoham-pirenena Andry Rajoelina sy ny Praiministra, ary ny minisitry ny Angovo sy ny Akoran’afo moa no nitokana izany, notronon'ireo manam-boninahitra maro, hoy hatrany ny fampitam-baovao.
Nangonin’I Toky R

 

Dans la même rubrique

22-oct-2024

Nitroatra nidina an-dalambe indray ny vahoaka teny Ambohipo omaly takariva.

Card image cap
22-oct-2024

Mafy ny mahazo ireo mpifindra monina nalan’ny tompon’andraikitra tao amin’ny Faritra Menabe

Card image cap
22-oct-2024

Nitrangana toe-javatra mampalahelo tany Ankadilalana, Fokontany Mahazoarivo,

Card image cap