Ilay horonantsary nirakitra ny zava-bitany rahateo efa miparitaka sy betsaka ny nahita, izay samy nilaza fa «tsy rariny raha teratany vahiny nahavita zavatra toy ireny no avela hiriorio sy harovana fotsiny fa hoe mpanam-bola sy manam-bola». Ny ahiahy koa ho an´ny olona mahalala tsara ity raharaha ity dia hoe : «aiza ity teratany frantsay ity ankehitriny, fa sady tsy mbola natao famotorana, no nanjavona na nasitrika ihany koa ?». Raha ny zava-misy anefa, dia ireo nahalala ny raharaha indray no araha-maso sy atao famotorana. Araka ny fantatra dia eny amin´ny Bianco Toamasina ny raharaha ankehitriny fa lasa nisy resa-bola sy fananaraotam-pahefana ihany koa. Raha ny vaovao nangonina dia misy taratasim-bola maromaro, mahatratra ana miliara (fmg), ankoatra ny lelavola izay nalain´olona tamin’ilay vazaha mba hanafenana ny raharaha tsy hiseho masoandro. Hatreto aloha, tsy fantatra mazava ny nandray ireo vola be ireo, na dia miverimberina aza fa olona ambony sy tompon´andraikitra maromaro ao Toamasina no voatonona sy ananan´ilay vazaha porofo fa naka io vola be io taminy. Vokatr’izay dia fantatra izao fa eo am-panaovana fanadihadiana ny kaontin´ireo olona ambony sy tompon´andraikitra voatonontonona ireo, ny Bianco Toamasina ankehitriny. Tsiahivina fa zanaka malagasy tsy ampy taona no voavetaveta tamin´ity raharaha nitranga tao Sainte Marie ity.
Rakoutou
Eo ny olan’ny herinaratra izay efa nampitaraina ireo mpisehatra tsy miankina sy niantsoana vahaolana
nisokatra ofisialy ny alatsinainy tolakandro teo ny taom-piotazana lodisia eto amintsika.
Zaza menavava iray lahikely no fantatra fa hita faty efa tsy nisy loha sy tanana intsony omaly
Efa tsy mandray ny andraikiny ny fitondram-panjakĂ na fa ny fiarahamonim-pirenena izay mandray
Nisokatra tamin'ny fomba ofisialy nanomboka omaly 13 novambra 2024 ny tranokala vaovao What The Fact https://whatthefact.wearecid.mg,
amin’ny fanenana 80% ny delestazy eto Antananarivo