ny delestazy amin’ny alalan’ny fampiodinana ireo milina mandeha amin’ny solika. Tena hahavita hamoaka 9 miliara Ar isam-bolana ve ny Fanjakana ny Fanjakana ? Efa iray volana no niresahana an’io koa nahoana no efa mivaivay ny fahatezeram-bahoaka vao hoe : halefa ny milina ? Ny mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola na ny PTF toa ny FMI sy ny Banky Iraisam-pirenena andaniny mametraka fepetra ny hanatsaharana sy hampihenana tsikelikely ny fandrotsahana vola tsy toko tsy forohana amin’ny Jirama, amin’ny solika,… Antony tsy maintsy hirosoana tsikelikely amin’ny fampiharana ny vidiny tena izy na « vérité de prix » izay làlana tsy maintsy hizorana hahafahana misitraka ireo famatsiam-bola fitserana, toy ny FEC sy FRD izay 660 tapitrisa euros eo ao anatin’ny 4 taona. Efa niaiky i Andry Rajoelina fa 250 tapitrisa dolara isan-taona no hatontona amin’ny Jirama izay efa tena midangana kanefa mbola hampiana indray. Raha ny vola natontona tao nandritra ny Fitondrana Rajoelina fotsiny dia mety efa nahavitana toby mpihary herinaratra mandeha amin’ny rano sy mandeha amin’ny herin’ny masoandro maromaro. Ny politika iraisam-pirenena momba ny angovo dia miroso sy mitodika bebe kokoa amin’ny angovo azo havaozina, saingy toa mihisatra izany eto amintsika. Mby aiza ny tetikasa Volobe sy Sahofika izay lasa zary fampanantenana lava ? Eo ny tsy fahampian’ny finiavana, fa eo ihany koa ny mety tsindry avo lenta avy amin’ireo hery goavana ara-toekerana mifehy ny solika satria ny fiovan’i Madagasikara makany amin’izany dia mety hahakitika tombotsoa goavan’ireo matretre. Betsaka amin’ireo fifanarahana mikasika ny famatsiana herinaratra ny Jirama ihany koa anefa no tsy mazava, misy bizina avo lenta, misy fambotriana ny Jirama. Ankoatra ny fividianana lafo hatrany amin’ny 1100Ar ny Kwh ary hamidy amin’ny vahoaka eo amin’ny 550Ar dia tsy arakaraka ny herinaratra homena ny jirama ny fatran’ny herinaratra tena tonga, ary efa nisy minisitra teo aloha niaiky an’io fa raha 40MW no nifanarahana dia 25MW no tonga saingy ilay vidin’ilay 40MW no tsy maintsy aloha. Isan’ny lesoka goavana izany mazava ho azy ny tsy fananan’ny Jirama fahaleovan-tena ara-pamokarana. Dia ireny mifandrirotra lava amin’ny mpamatsy ireny, ary matetika tratry ny takalon’aina ny Jirama rehefa kaonty tsy milamina ! Mila fanatsarana ny politikan’ny angovo, ary hamafisina hatrany fa mila hamoraina ny fahafahan’ny Malagasy manana angovo madio sy mahaleo tena isan-tokantrano.
Toky R
Tsy ampy sakafo Malagasy, tsy ampy rano, tapaka jiro, tsy ampy fidiram-bola, maina ny molotra,
Tsy hay intsony na hanaronana ny raharaha volamena izay hita ho mampifanolana ny filoham-pirenena
Manampahaizana manana ny maha izy azy eo amin’ny tontlon’ny informatika,
Miaiky i Andry Rajoelina filoham-pirenena, fa tsy mbola nisy delestazy mamay toa izao teto Antananarivo hatramin'izay.
Miha mangatsiaka hatrany amin’izao fotoana izao ny fifandraisana ara-diplaomatika
Mihenjan-droa tanteraka ny tady eo amin’ny Fanjakana Malagasy sy ny fampahalalam-baovao Kaomorianina teo