dia mitohy amin’ny Henri Fraise et Fils Compagnie (HFF) ny fanaovan-tsonia ho an’ny fametrahana toby famokarana angovo "Hybride", hoy ny seraseran’ny Jirama omaly. Mikendry famokarana 18MW amin’ny alalan’ny herin’ny masoandro ao anatin’ny telo taona ity tetik’asa ity. Hosokajiana ho 6MW isan-taona ny fametrahana, ka amin’ity taona 2025 ity dia i Fianarantsoa, Manakara, Tsiazompaniry, Tsiroanomandidy ary Nosy Be no nambara fa hahazo tombony voalohany. Nohamafisina fa manan-danja amin’ny fanarenana ny JIRAMA ny fampiroboroboana ny angovo azo havaozina. Natao hanamaivana ny mason-karenan’ny famokarana ary hanatsarana ny kalitaon’ny tolotra ho an’ny mpanjifa. Na izany aza, manamafy aloha izany itony, fa ny tetikasa tsy miankina no tena ianteheran’ny Jirama, any amin’ny tsy miankina ny ain’ity orinasam-panjakana ity izay tsy mahavita mamokatra ho azy mahaleotena 100%. Mividy amin’ny sarany lafo ny Jirama, ary mivarotra fatiantoka no isan’ny hahafantarana ny Jirama, bokan-trosa, tsy mahavelon-tena, tsy mahomby ara-pitantanana, tsy mahomby ny Fanjakana,… Miteny ho azy ny tarehimariky ny Banky Iraisam-pirenena izay efa notaterina teto ny febroary teo fa miditra anaty krizy ara-bola lalina ny JIRAMA satria miaina fatiantoka mitentina 250 tapitrisa dolara isan-taona sy trosa tafakatra hatrany amin’ny 400 tapitrisa dolara. Sarotra ny fandoavana ny faktioran’ireo mpamatsy tsy miankina sy manakana ireo mety ho fampiasam-bola vaovao. Raha tsy misy fepetra haingana raisina, dia mbola hitohy sy hiharatsy hatrany ireo fahatapahan-jiro lava mianjady amin’ny mponina amin’ny taona 2026 sy aoriana, hoy io rafitry ny Breton Woods. Isan’ny nataon’ny Fanjakana litania ny fitanisana ny tetikasa toy ny toby mpihary herinaratra 48 manerana ny Nosy, fa na ny fitaovana aza nihitsoka tao Toamasina an-taonany, nanaovana fihetsiketsehana ny famoahana azy, saingy taty aoriana nisy resaka lavanty tao amin’ny seranantsambo ka ireo orinasa mpisehatra amin’ny angovo mandeha amin’ny herin’ny masoandro no nantsoina tamin’izany. Tao anatin’ilay « Pacte Nationale pour l’Energie » ho an’i Madagasikara izay nivoaka nandritra ilay Africa Energy Summit tatsy Tanzanie ny janoary teo, dia nivoaka fa mila 7,2 miliara dolara anatin’ny 6 taona i Madagasikara hampisitrahana herinaratra sy hanatsarana kalitaon’ny tolotra kanefa 1,15 miliara dolara no tena mety ho azo amin’ny mpamatsy vola. Ny tetikasa lehibe toa an’i Volobe sy Sahofika toa mihisatra hatrany tsy hita izay tena tokontaniny. Dia ireny iaraha-maheno ireny fampanantenana lava toy ny 400MW, 500MW, ary vao tsy ela ny 1000MW anatin’ny 4 taona indray.
Toky R
Hentitra ny mpandraharahan’ny fonja amin’ny alalan’ny Sendika SPAPM
Atsaharo ny fakana tanim-bahoaka sao ho singam-bolo handavo ny vositra ! »
Misy foana ny fahavaratra sy orana mikija, saingy tsapa sy tsikaritra ho mihamafy
Mahatratra 500 isa ireo fianakaviana manana olana tany amin’ny fireneny tonga
Azo hatao tsara ny manova ireo karazan’entana ao an-trano amin’izao ankatoky ny
Niteraka fahapotehana lehibe sy famoizana ain’aina tany amin’ny faritra atsimon’i