ho entintsika mankaiza ity firenena ity?», indrindra, taorian’ny taona 2009. Handova dezaka eto isika, raha izao no mitohy, hoy ny mpanakanto sady mpahaifiarahamonina, Dama na Rasolofondraosolo Zafimahaleo, ny taona 2017. Heverina fa tsy tongatonga ho azy izany teny izany sy ny tenina mpanaraka ny fiainam-pirenena maro satria tsy niafina fa niaraha-nahatsiahy sy nahita ireo matoam-baovao mikasika ireo harem-pirenena samihafa rotika sy tantely afa-drakotra tao anatin’izay 16 taona fara-faha keliny izay. Teo ny trafikana andramena, ny voamboana, ny volamena, izay lasa ataon’olona fihomehezana hatramin’izao moa ilay hoe nivadika vy. Teo ny fahamaizana ala na valan-javaboahary natao ho arovana samihafa ary mampitombo ny fanahiana ny amin’ny fahalanian’ireo biby sy zavaboary hafa tamingana ihany koa. Any Azia sy Eoropa no mikarenjy ny karazan-gidro sy sokatra. Miharihary fa tsy hain’ny fitondràna malagasy hatramin’izao ny mitantana ireo harena anatin’ny firenena ary tsy vitan’ny hoe tsy hainy tantanana fotsiny fa lasan’ny vahiny izay sokajian’ireo tia tanindrazana samihafa ho mpanani-bohitra mihitsy aza, raha tsy hiresaka afa-tsy ireo nosy manodidina na «Iles éparses» sy ireo harena tantanan’ny frantsay ao fotsiny, toy ny entona natoraly sy solitany. Mamaivay ny mahazo ireo malagasy miaro ny taniny ao Mitsio sy Sakatia na Nosy be. Ankao moa izany dia mampametra-panontaniana ankehitriny hoe mbola antsika ve? Ny fitantanan-draharaham-panjakàna moa dia io iaraha-mahita io fa tena mbola maha velon-taraina ireo olompirenena mikarakara taratasy eny anivon’ireny biraom-panjakàna ireny, indrindra, eny amin’ny fitsaràna, ny filonan’ny asa. Na ireo firenena niara-taraiky tamin’ity nosy ity fahiny aza efa miha lasa lavitra amin’ny fikirakirana tekinolojia ary vita vetivety amin’ny alalan’ny fikirakiràna nomerika ny antontan-kevitra ilaina rehetra. Hafa mihitsy no heno amin’izao fotoana izao rehefa miresaka izany Sénégal na Rwanda na Burkina faso izany, indrindra moa fa Kaomoro sy Maorisy, izay akaiky kely eto amin’ny ranomasimbe indianina. Samy taraiky na ny atiny na ny ivelany, araka izany, no heverina ho azo amintinana azy, raha ny mikasika ny fampandrosoana an’ity Madagasikara ity no ambara.
J. Mirija
Nanomboka omaly ny fanadiovana ny tsena eto Antananarivo renivohitra araka
Sarotra ny hanantena fahagagana amin’izao fitondrana izao ao anatin’ny 5 taona ho avy.
Nampahafantarina omaly tetsy amin’ny Pho Resto Ampasamadinika ny
Tena sahirana ny ankamaroan’ireo zokiolona eto amintsika.
Ny taona 2015 aho no niady tao amin’ny fitsaràna ambaratonga voalohany na