ka betsaka ny trondro zanatany malagasy atahorana ho lany tamingana, hoy ny manam-pahaizana momba ny biby sy zavamaniry, Pr Jonah Ratsimbazafy. Nisy nampiditra koa ny foza orana tao anaty kaonteneran-dry henjana dia tafiditra teto koa ny voalavo «Rattus norvegicus», izay tsy tokony ho hita anaty ala sy ny radakaboka ary mamono ny fiompiana trondron'olona any atsinanana ny «têtards» an'io sahona io, hoy izy. Tena fatiantoka be mihitsy no aterak'izany. Vao haingana no nisian'io varroa manimba ny fiompiana tantely io, izay miteraka fatiantoka be mihitsy ho an’ny mpiompy tantely any atsinanana, amin’iny faritra Andasibe iny no niandohany, ary efa manerana ny nosy izao. Tsy misy an’io teo aloha fa vokatry ny famonoana bibikely moka ka maty hatramin’ny tantely. Dia nampiditra karazana tantely karazany hafa ry henjana ka nitondra io varroa io ka io mamono ny fiompiana tantely io hatramin’izao. Ny mponina any Andasibe mahafantatra tsara izany. Ry henjana nefa mandà hatrany fa tsy izy no tompon’andraikitra tamin’ny fidiran’ilay voalavo sy radakaboka ary varroa. Fa ny vokatr' izany rehetra izany aloha dia ny mpamboly sy mpiompy malagasy no mizaka ny vokany. Tokony hisy ny fanadihadiana ireny rehetra ireny ary tsy tokony hiala maina izay tompon’andraikitra nanao izany sy nitondra izany teto. Eto Madagasikara moa izany amin’ny zavatra hafa no henjana sy masiaka isika rehefa samy isika fa amin’ny zavatra toy izao tena malemy be, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
Hentitra ny mpandraharahan’ny fonja amin’ny alalan’ny Sendika SPAPM
Atsaharo ny fakana tanim-bahoaka sao ho singam-bolo handavo ny vositra ! »
Misy foana ny fahavaratra sy orana mikija, saingy tsapa sy tsikaritra ho mihamafy
Mahatratra 500 isa ireo fianakaviana manana olana tany amin’ny fireneny tonga
Azo hatao tsara ny manova ireo karazan’entana ao an-trano amin’izao ankatoky ny
Niteraka fahapotehana lehibe sy famoizana ain’aina tany amin’ny faritra atsimon’i