airtel

Actualités

03-oct-2024

Fampihenana ny delestazy

Mibaboka ny Jirama, herintaona raha kely vao ho hita taratra…

Sample post image

Miaiky ny mpitantana ny Jirama fa tena mbola henjana ny ady hanalefahana ny delestazy.

03-oct-2024

Tsy maintsy miandry eo amin’ny herintaona farafahakeliny vao tena ho hita taratra ny fihenan’ny delestazy ao anatin’ny tambajotra iraisan’Antananarivo na ny RIA, raha ny nambaran’ny Tale Jeneneraly lefitra misahana ny famokarana herinaratra Atoa Manda Ny Aina Nomena. Ny fametrahana ny toby famokarana « thermique » vaovao 105 MW ao Ambohimanambola, izay andrasana amin'ny jona 2025, dia ho vahaolana vonjimaika mankany amin'ny angovo azo havaozina, raha ny fanazavana. Mandritra izany, ny fanapahana herinaratra mifandimby, izay maharitra roa ora isaky ny fanapahana, farafahakeliny, dia mitohy ho an’Antananarivo sy Antsirabe, raha ny fanazavana. Raha mahafeno ny fepetra momba ny toetrandro, dia mety hisy ny asa fandatsahana orana artifisialy hatao amin'ny faran'ity herinandro ity, amin'ny zoma na sabotsy. Andekaleka no toby famokarana herinaratra amin’ny rian-drano lehibe indrindra ho an'i Antananarivo, kanefa mihodina amin'ny hafainganam-pandeha ambany amin'izao fotoana izao. Raha ilaina ny fikorianan'ny rano farafahakeliny 48m³/segaondra mba hahazoana famokarana herinaratra ampy ho an'ny RIA izay tokony ho 112MW, dia zara raha 23m³/s ny fikorianan'ny rano ankehitriny, raha ny fanazavana. Vokany, tsy afaka manodina afatsy 2 amin’ireo milina 4 ny Jirama. Araka ny fanazavan'ny orinasa, ny fihenan'ny haavon'ny reniranon’i Vohitra dia izay mamatsy an’Andekaleka dia avy amin'ny fihenan’ny orana noho ny vanim-potoana maina, fa eo ihany koa ny fahapotehan'ny tontolo iainana. Raha ny serasera, mikasa ny hanangana toby fitehirizam-drano iray hafa ambonin’Andekaleka ny Jirama, ka tanjona ny mba hiantohana fa ampy ny tahirin-drano hanohanana ny vondrona ao amin'ny toby « hydroélectrique » rehefa miroso ambany ny haavon'ny rano ao amin'ny renirano manome azy io mandritra ny vanim-potoana maina. Tokony hahafahana mitahiry rano 400 tapitrisa m³ io mba hanomezana rano maharitra ho an'ny vondrona ao amin'ny toby mandritra ny vanim-potoana fahavaratra. Ilaina izany ilay « dam » nihomehezan-dRajoelina nandritra ny adihevitr’ireo kandida filoham-pirenena nanao fihodinana faharoa tamin’ny 2018, poakaty ireo fampanantenana maro momba ny angovo,… izay hiditra anatin’ny 5 taona faharoa izao. Ny fanarenana ny Jirama sy ny famokarana herinaratra amin’ny alalan’ireo haitao sy fomba samihafa toy ny fampiasana ny herin’ny masoandro, ny rivotra, ny rano,… tokoa ve no sarotra sa ny finiavana sy ny fijerena ny laharam-pahamehana mihitsy no tsy hay ?
Toky R

 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Manamafy ny Fanjakana fa tsy mahasehaka ny saran’ny famokarana ny saran’ny famarotana ny angovon’ny Jirama,

Card image cap
17-oct-2024

Tsy ny famatsian-drano avy amin’ny JIRAMA na Jiro sy rano malagasy ihany amin’izao fotoana

Card image cap
17-oct-2024

Mahazo vahana tanteraka ny asa fivarotan-tena eto amintsika. Ankoatra ny amin’ny tambajotran-tserasera Facebook

Card image cap
OJM
16-oct-2024

Nitondra fampahatsiahivana ny Biraon’ny Holafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara na ny OJM

Card image cap
16-oct-2024

Raha tiantsika hiarina i Antananarivo dia jereo izay olona tsy nanao kolikoly, hoy ny mpanabe

Card image cap
16-oct-2024

Lasibatra indray ny mpanao gazety maro omaly, raha saika hanangom-baovao nandritra

Card image cap