amin’ny sehatry ny fizahantanyy maneran-tany. Isan’ireo hiatrika izany I Madagasikara amin’ny alalan’ny Ofisim-pirenena momba ny fizahantany miaraka amin’ireo mpandraharaha ara-pizahantany. Fotoana hararaotina hampahafantarana an’I Madagasikara sy hisintonana ireo mpizahatany aty amintsika io, ary hanehoana ny lanjan’ny firenentsika eo anatrehan’izao tontolo izao. Maneran-tany, manomboka miverina tsikelikely ny fizarahatany. Taorian’ny fidinana 50% ny lanja ambony apanga mivantana entin’ny fizahantany amin’ny toekarena faobe (PIB) maneran-tany sy ny fahaverezan’asa an-tapitrisany tamin’ny taona 2022, manomboka miverina amin’ny laoniny izany ankehitriny, ary mihabetsaka ny tinady, raha ny tatitra. Eo anatrehan’ny fahasarotana mihatra amin’ireo mpisehatra, mametraka tanjona sy politika sy politika lavitr’ezaka ahafahana mampiroborobo ny fizahantany ny WTTC (World Travel and Tourism Council). Ho an’ny eto Madagasikara, manomboka misokatra tsikelikely ny fizahantany, saingy mbola lavitry ny tanjona amin’ny isan’ny mpizahatany tokony hotratrarina. Tao alohan’ny coronavirus, manodidina ny 3 hetsy isan-taona ny mpizahatany tonga eto, raha toa ka manodidina ny 3 tapitrisa isan-taona kosa ny atsy amin’ny Nosy Maorisy. Mila ezaka be isika eo anatrehan’izany.
Toky R
Samy velom-panontaniana ny mpanara-baovao tato anatin’ny herinandro izay manoloana ireo
Niparitaka nanomboka omaly ny didy fampikarohana an’i Bekasy Johnfrince. Karohin'ny polisin'ny
Raim-pianakaviana iray antsoina hoe Hery na Iaban’i Sarah no namoy ny ainy tao amin'ny Kaominina Ranotsara
Miha tery hatrany ny fahafaha-mivelona na fivelomana eto Madagasikara, indrindra, taorian’ny fidiran’ny
Ny lafiny famoronana sy fanatontosana, ireo sisa tena olana amin’ny sarimihetsika malagasy,
Efa kely sisa dia maherin’ny herintaona no nisian’ny ranobe tsy mety ritra etsy Andravoahangy ambany.