fiadidiana ny kaominin’Antananarivo renivohitra na CUA sy ny fivondronan’ny skoto rehetra eto Madagasikara. Fikambanana skoto miisa 8, hoy ny fanazavàna, no niray hina, niray saina, niara-nientana hoe andao hifanome tanana amin’ny CUA ho fanentanana ny mponina amin’ny fanabeazana maha olompirenena. Eo koa ny fifanomezan-tanana rehefa misy ilàna izany tahaka ny fiakaran’ny rano tamin’iny herinandro iny. Skoto mihoatra ny 1200 isa no nifanome tanana tamin’ny CUA, BNGRC, minisiteran’ny mponina. Eo koa ny fijoroana eo anivon’ny fiarahamonina fa misy ankizy, tanora, vehivavy, lehilahy tena mandray andraikitra. Vonona hifanome tanana sy hanampy ny mpiara-belona. Fifanarahana anatin’ny heritaona no natao sonia, hoy hatrany ny fanazavàn’ny ben’ny tanànan’Antananarivo, Harilala Ramanantsoa. Fanamafisana ny foto-panabeazana ho an’ny ankizy sy tanora ny fiaraha-miasa tahaka izao, hoy kosa ny filoha iombonan’ny mpamaky lay eto Madagasikara, Dr Andrianjaka Rado Razafimandimby. Isan’ny ilaina hamafisina eto anivon’ny fiarahamonina malagasy, hoy izy, ny fanabeazana ny olompirenena hanaja lalàna sy fananana iombonana. Mandray anjara amin’ny famenoana ny fanabeazana entin’ny sekoly sy sehatra samihafa, noho izany, izao fiaraha-miasa izao ho an’ny ankizy sy tanora malagasy. Antomboka eto amin’ny CUA izany ary tsy hijerena loko sy fihaviana fa fanamafisana fihavanana eto amin’ny kaominina iraimanontolo. Eo ny fanampiana ireo marefo, izay tsy voatery ho anaty fotoana manokana ihany, fa mety fiatrehana ireo zava-tsarotra maro samihafa koa, na voina io na hafa, hoy hatrany ny fanazavàna.
Nangonin’i J. Mirija
Hentitra ny mpandraharahan’ny fonja amin’ny alalan’ny Sendika SPAPM
Atsaharo ny fakana tanim-bahoaka sao ho singam-bolo handavo ny vositra ! »
Misy foana ny fahavaratra sy orana mikija, saingy tsapa sy tsikaritra ho mihamafy
Mahatratra 500 isa ireo fianakaviana manana olana tany amin’ny fireneny tonga
Azo hatao tsara ny manova ireo karazan’entana ao an-trano amin’izao ankatoky ny
Niteraka fahapotehana lehibe sy famoizana ain’aina tany amin’ny faritra atsimon’i