airtel

Actualités

20-juin-2024

Fanadalana zaza tsy ampy taona, fihetsika mamoafady

Voaheloka 5 taona an-tranomaizina Rakotobe

Sample post image

Ny herinandro voalohan’ny volana mey no vaky am-batolampy, niparitaka ny horonan-tsary maneho ny fehetsika

20-juin-2024

mamoafadin’Atoa Rakotobe José tamin’ny zaza tsy ampy taona. Nohelohin'ny fitsarana higadra 5 taona an- tranomaizina Rakotobe ny tenany taorian’ny efa nitazonana azy am-ponja vonjimaika efa iray volana mahery izay. Ny "Ministère public" no nitory azy noho ny ampamoaka nataon'ireo zaza nijoro vavolombelona tany amina Fikambanana mpiahy ny zaza, ary tsy zaza iray,... Hita tsara ao anatin’ny horonantsary izy manao fihetsika mamoafady amina zaza tsy ampy taona amin’ny alalan’ny safosafo samihafa. Voalaza tam Misy tambazana vola, ary misy terena mivantana hanoroka sy hanafosafo azy, ankoatra ireo mety zava-nitranga tsy voarakitra tao anatin’ny horonantsary. Toetra amam-pihetsika mamoafady izay tombanana ho efa fanao matetika, ary amin’olona samihafa. Taorian’ny fanavaozana ny andininy mikasika ny fehezan-dalàna momba ny fanolanana no nipoitra ity raharaha Dadatoa Rakotobe ity. Ny andininy faha-332 sy 333 amin’ny fehezan-dalàna famaizana no mamaritra ny sazy izay nohamafisina, ka tsy afa-bela na vao fikasana hanolana aza. Arakaraka ny sokajin-taona ihany koa moa ny famerana sy famaritana ny sazy, fa ny an-dRakotobe moa izany 5 taona no hohefainy. Tsetsatsetsa tsy aritra no ilazana, fa lehilahy manodidina ny 50 taona Rakotobe José, Dadatoa Rakotobe no hahalalan’ny mpanara-baovao azy, voalaza fa mpikatroka na mpiara-miasaika tao anatin’ny fikambanana tarihin’ny kandida depioten’ny IRMAR tamin’ny Boriborintany iray eto Antananarivo, ary mpiantso amin’ny haino aman-jery mpanaratsy sy mpanenjika ireo mpanakiana ny fitondrana, raha ny fanamarihan’ny mpanara-baovao.
Toky R
 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Manamafy ny Fanjakana fa tsy mahasehaka ny saran’ny famokarana ny saran’ny famarotana ny angovon’ny Jirama,

Card image cap
17-oct-2024

Tsy ny famatsian-drano avy amin’ny JIRAMA na Jiro sy rano malagasy ihany amin’izao fotoana

Card image cap
17-oct-2024

Mahazo vahana tanteraka ny asa fivarotan-tena eto amintsika. Ankoatra ny amin’ny tambajotran-tserasera Facebook

Card image cap
OJM
16-oct-2024

Nitondra fampahatsiahivana ny Biraon’ny Holafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara na ny OJM

Card image cap
16-oct-2024

Raha tiantsika hiarina i Antananarivo dia jereo izay olona tsy nanao kolikoly, hoy ny mpanabe

Card image cap
16-oct-2024

Lasibatra indray ny mpanao gazety maro omaly, raha saika hanangom-baovao nandritra

Card image cap