airtel

Actualités

28-déc-2023

Fanajariana an’Antananarivo sy ny manodidina

Miantso ny hamerenana ny hetra tokony ho an’ny Kaominina ny IPAM

Sample post image

Nanatanteraka fivoriambe ara-potoana tetsy amin’ny Motel Anosy ny IPAM

28-déc-2023

Ivom-Panajariana an’Antananarivo sy ny Manodidina) nentina nanaovana tomban’ezaky ny asa vita tao anatin’ny 5 taona nijoroana. Kaominina 38 no nofaritana hatrany am-boalohany mba ho mpikambana ao anatiny, fa ny 33 no efa tafiditra tanteraka. Antananarivo Renivohitra miampy ny distrkan’Avaradrano sy Atsimondrano, ary Ambohidratrimo no mitambatra ao anatin’io. Manana fidiram-bola miisa 3 izy ireo dia ny avy amin’ny mpiara-miombon’antoka ara-bola sy ara-teknika na PTF ka ny AFD (Agence Française de Développement) nanolotra 3 tapitrisa euros, ny 1 tapitrisa no efa navoakany izay misy fahasahiranana ny famoahana azy noho ny fitantanana misy eo amin’ny AFD sy ny fitantanam-bola eto Madagasikara. Ny faharoa ny Minisiran’ny fananan-tany sy ny fanajariana ny tany manome 100 tapitrisa Ar eo, ary fahatelo ny latsakemboky ny kaominina mpikambana, araka ny fanazavan’ny PCA na Filohan’ny Filankevi-pitantanan’ny IPAM Atoa Rado Ramparaoelina izay sady ben’ny tanànan’Ampitatafika. Tanjona anatin’ny IPAM ny hanatsarana ireo teboka stratejika 4 lehibe eo anivon’ny kaominina dia ny fitaterana, fako, fanajariana ny tany, ary ny hetra. Anisan’ny mampiodina sy tanjona mampahaleo tena ny kaominina ireo lafin-javatra stratejika ireo izay ifanomezana tantsoroka mba hampirindra ny fanajariana ny tany. Momba ny hetra, nomarihin’ny PCA an’ny IPAM, fa isan’ny tena iainan’ny kaominina ny hetra tambatra na «impôt synthétique », ka ny 80% miverina amin’ny kaominina, ary ny 20% no mizara ho an’ny faritra, faritany,… Ankehitriny tsy misy intsony ny faritany, kanefa ny zavatra misy dia lasa mihena 60% ny miverina any amin’ny kaominina, ary misy fotoana aza lasa 47,5%. Vola raisina amin’ny tsena izay efa voafaritra io arakaraka ny renivolan’ny mpandraharaha lehibebe. Ny Minisiteran’ny toekarena sy ny fitantanam-bola amin’ny alalan’ny ivon-ketra no handoavana azy io, tsy fantatra mazava anefa ny tarehimarika, tsy azon’ny kaominina raha tsy mangataka. Miverina any amin’ny kaominina rehefa tafiditra amin’ny kaontinay kaominina, dia faly izahay, kanefa tsy fantatray hoe : mitombona sa tsy ilay kajy ? Manao antso avo noho izany ireo ben’ny tanàna ny mba tena hisian’ny fitsinjaram-pahefana mba hiverina any amin’ny kaominina, tahaka izany ihany koa ny hetran-tany, hetran-trano,... mba haverina ny maro an’isa, farafaharatsiny ilay 80% fa raha amin’izao endriny izao tena mijaly ara-bola ny kaominina, hoy hatrany Atoa RAdo Raparaoelina PCA an’ny IPAM.

Naseho omaly ihany koa moa ny drafi-panajariana ny tanànana vaovao. Nisy ny kaominina nahazo ny « cartographie », ka nozaraina ofisialy. Tahaka izany ihany koa ny paikadim-panajariana ny tany izay nisy kaominina 12 nahazo azy omaly. Nijoro vavolombelona ihany koa ireo kaominina mahatsapa tombotsoa amin’ny IPAM. Nankasitrahana ihany koa ireo mpitantana ny IPAM izay efa taom-piasana roa izao no vitan’izy ireo.
Toky R

 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Manamafy ny Fanjakana fa tsy mahasehaka ny saran’ny famokarana ny saran’ny famarotana ny angovon’ny Jirama,

Card image cap
17-oct-2024

Tsy ny famatsian-drano avy amin’ny JIRAMA na Jiro sy rano malagasy ihany amin’izao fotoana

Card image cap
17-oct-2024

Mahazo vahana tanteraka ny asa fivarotan-tena eto amintsika. Ankoatra ny amin’ny tambajotran-tserasera Facebook

Card image cap
OJM
16-oct-2024

Nitondra fampahatsiahivana ny Biraon’ny Holafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara na ny OJM

Card image cap
16-oct-2024

Raha tiantsika hiarina i Antananarivo dia jereo izay olona tsy nanao kolikoly, hoy ny mpanabe

Card image cap
16-oct-2024

Lasibatra indray ny mpanao gazety maro omaly, raha saika hanangom-baovao nandritra

Card image cap