airtel

Actualités

20-juin-2024

FANANGANAN-TSAINA

Malaina ny ankamaroan’ny vahoaka

Sample post image

Dimy andro eo ho eo sisa dia hianoka tanteraka ao anatin’ny fankalazana ny Fetim-pirenena 26 Jona,

20-juin-2024

tsingerin-taona niverenan’ny faha-64 taona nijoroan’ny foloalin-dahy isika. Hatreto dia mbola vitsy ireo tokantrano hita sy tazana manangan-tsaina, indrindra fa ny eto an-drenivohitra. Ireo biraom-panjakana sy sekoly maro samihafa ihany no tazana manao izany amin’ny ankapobeny. Ny ankoatra izay dia zara raha misy. Raha araka ny resaka nifanaovana tamina mpivarotra sainam-pirenena iray dia tena malaina ny olona mividy sainam-pirenena na dia efa 3000 Ar dia efa mahazo iray amin’izany. Raha efa mahalafo saina dimy isan’andro izy ireo rehefa ankatoky ny fety tahaka izao tamin’ny taon-dasa raha kely dia maro amin’ireo mpivarotra no tsy mahavaky laovy akory amin’izao. Toraka izany koa ny kilalao izay tena mampitaraina fatratra azy ireo.Tsy misy mpividy fa ny mpanontany no betsaka. Raha fehezina ny zava-misy dia tena sahirana ny Malagasy. Tsy ao anatin’ny kajin’ny isan-tokantrano intsony izany hanao fety izany indrindra moa fa ny hanokana teti-bola hividianana saina, arendrina, hividianana vorona hatao laoka…. Rehefa tonga fotsiny ny fety dia tsy maintsy hatrehina miankina amin’izay eo am-pelatanana.
Pati
Legende : Ireo biraom-panjakana amin’ny ankapobeny no tena manangan-tsaina tahaka izao !

 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Manamafy ny Fanjakana fa tsy mahasehaka ny saran’ny famokarana ny saran’ny famarotana ny angovon’ny Jirama,

Card image cap
17-oct-2024

Tsy ny famatsian-drano avy amin’ny JIRAMA na Jiro sy rano malagasy ihany amin’izao fotoana

Card image cap
17-oct-2024

Mahazo vahana tanteraka ny asa fivarotan-tena eto amintsika. Ankoatra ny amin’ny tambajotran-tserasera Facebook

Card image cap
OJM
16-oct-2024

Nitondra fampahatsiahivana ny Biraon’ny Holafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara na ny OJM

Card image cap
16-oct-2024

Raha tiantsika hiarina i Antananarivo dia jereo izay olona tsy nanao kolikoly, hoy ny mpanabe

Card image cap
16-oct-2024

Lasibatra indray ny mpanao gazety maro omaly, raha saika hanangom-baovao nandritra

Card image cap