airtel

Actualités

18-févr-2025

Fanaovana politika eto Madagasikara

Simban'ny fifampiatsarambelatsihy sy fiombonana sadasada

Sample post image

Tsy mahagaga raha miverimberina ny krizy politika eto Madagasikara satria ireo mpisehatra

18-févr-2025

amin'ny politika mihitsy no manome endrika ratsy ny fanaovana politika sy mampiseho ohatra ratsy ho an'ny olom-pirenena. Ny resaka fanabeazana ara-politika dia maivana be aloha ny eto Madagasikara mba tsy ilazana hoe tsy misy. Raha ny tokony ho izy dia ampiarahana amin'ny fanabeazana ny vahoaka mba ho olom-pirenena vanona sy olom-pirenena vonona ny fanabeazana ara-politika fa tsy hoe volana vitsy mialohan'ny datim-pifidianana vao samy mikofokofoka ireo antoko politika manao izany. Etsy ankilan'izay dia anisan'ny tontolo simban'ny fifampiatsarambelatsihy sy fihavanana sadasada ny fanaovana politika eto Madagasikara. Mahay manambatra hery ny mpanao politika rehefa hoe handrodana na haka seza amin'ny alalan'ny fifidianana, fa rehefa avy eo samy tia tena, samy maka ho azy ihany. Dia mandeha ny fanehoan-kevitra toa mifanipaka eo amin'ny samy mpanao politika iray vovonana. Toa samy te hilaza hoe samy henjana. Ny fahitana izany anefa no mahatonga ny olona ho leo politika ary tsy liana intsony manaraka vaovao politika sy raharaham-pirenena intsony. Ny dikany dia ho tahaka izao foana ny eto ary mety hiharatsy aza rehefa tsy manova fomba famindra sy fomba fsainana ary fomba fiasa ireo mpanao politika. Atao ahoana moa no hampizotra tsara ny dia raha ilay mpamily ny fiara no mibilobiloka fandeha no sady miovaova lalana isaky ny mihetsika ?
RTT

 

Dans la même rubrique

26-mars-2025

Hentitra ny mpandraharahan’ny fonja amin’ny alalan’ny Sendika SPAPM

Card image cap
26-mars-2025

Atsaharo ny fakana tanim-bahoaka sao ho singam-bolo handavo ny vositra ! »

Card image cap
26-mars-2025

Misy foana ny fahavaratra sy orana mikija, saingy tsapa sy tsikaritra ho mihamafy

Card image cap
26-mars-2025

Mahatratra 500 isa ireo fianakaviana manana olana tany amin’ny fireneny tonga

Card image cap
26-mars-2025

Azo hatao tsara ny manova ireo karazan’entana ao an-trano amin’izao ankatoky ny

Card image cap
26-mars-2025

Niteraka fahapotehana lehibe sy famoizana ain’aina tany amin’ny faritra atsimon’i

Card image cap