airtel

Actualités

08-août-2024

Fanararaotana ny mpanjifa

Tafakatra 1.300 Ar ny fahana kikisana iray any amin’ny RN7

Sample post image

Tafakatra 1.300 Ar ny karatra misy fahana kikisana iray tokony vidiana 1.000 Ar

08-août-2024

any amin’iny lalam-pirenena fahafito iny. Vao manomboka etsy Ambalavao dia efa ahitana taratra izany mitohy hatrany Antsahalava sy ny manodidina. Raha araka ny resaka nifanaovana tamin’ireo mpivarotra dia nambarany fa noho ny halaviran-dalana mankaty an-drenivohitra hakana ny fahana no antony mahatonga izany izay tsy maintsy handoavana saran-dalana raha mandeha taxi-be ary hividianana solika raha mitaingina moto. Ankoatra io vidin’ny fahana izay midangana io dia mbola betsaka amin’ireo mpivarotra ihany koa mo mila vaniny mitaky ilay 300 Ar mba hatao madinika izany hoe : tonga dia vola 1300 Ar tsy misy fameriny no raisiny indrindra amin’izao fotoam-pialan-tsasatra lehibe mahabetsaka ny mpivezivezy izao. Ho an’ireo mampiditra fahana 500 Ar moa dia misy sarany 100 ka hatramin’ny 200 Ar izany miankina amin’ilay mpivarotra sy ilay toerana. Atso avo no hatao amin’ireo tompon’andraikitra mba hijery akaiky ity fidangan’ny vidin’ny fahana any ivelan’ny renivohitra ity. Lasa fanararaotana ny mpanjifa indray mantsy izany ka tokony hojerena ihany.
Pati
Legende : Tena lafo ny fahana tahaka itony any amin’iny lalam-pirenena fahafito iny !

 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Manamafy ny Fanjakana fa tsy mahasehaka ny saran’ny famokarana ny saran’ny famarotana ny angovon’ny Jirama,

Card image cap
17-oct-2024

Tsy ny famatsian-drano avy amin’ny JIRAMA na Jiro sy rano malagasy ihany amin’izao fotoana

Card image cap
17-oct-2024

Mahazo vahana tanteraka ny asa fivarotan-tena eto amintsika. Ankoatra ny amin’ny tambajotran-tserasera Facebook

Card image cap
OJM
16-oct-2024

Nitondra fampahatsiahivana ny Biraon’ny Holafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara na ny OJM

Card image cap
16-oct-2024

Raha tiantsika hiarina i Antananarivo dia jereo izay olona tsy nanao kolikoly, hoy ny mpanabe

Card image cap
16-oct-2024

Lasibatra indray ny mpanao gazety maro omaly, raha saika hanangom-baovao nandritra

Card image cap