airtel

Actualités

21-mars-2025

Fandaminana an’Antananarivo

Sosotra amin’ny ben’ny tanàna ireo nampandany azy

Sample post image

Nanomboka omaly ny fanadiovana ny tsena eto Antananarivo renivohitra araka

21-mars-2025

ny tetiandro napetraky ny kaominina (CUA). Ny fandaminana ny tsena amin'ireo faritra toy ny eny Analakely, Behoririka sy ny eny am "petite vitesse" iny no tena tanjona. Toy izany koa ny fandaminana ny fiantsonan'ireo taxi sy ny taxi-moto.
FANILIKILIHANA VE NO VALIN’NY FANOHANANA ?
Hatramin'ny fiandohan'ity herinandro ity anefa dia maro ireo mpivarotra no efa naneho hevitra ,ary nilaza fa manaiky ny fandaminana saingy tsy manaiky ny fanesorana azy ireo amin'ny asa fivelomany kosa. Iaraha mahalala hoy izy ireo ny fahasahiranana amin'izao ka aleo izahay hivarotra. Miandry ny fandaminana avy amin'ny kaominina ihany koa. Voaresak'ireo mpivarotra hatramin'ny nanohanany ny ben'ny Tanàna harilala Ramantsoa tamin'ireny fifidianana ben'ny tanàna ireny. "Izao fanilikilihana sy fandroahana izao ve zany no valin'ny nataonay ka nahalany an-dRamatoa ben'ny tanàna "hoy ireo mpivarotra teny amin'ny Petite Vitesse. Nilaza ihany koa ny taxi moto fa izy ireo mihitsy no lohalaharana tamin'ny fampielezan-kevitra ,nefa vao lany ny ben'ny tanàna dia izy ireo no atao lasibatra. Etsy ankilany dia efa nanao hetsika ihany koa ny fikambana'ny mpitondra Taxi eto Antananarivo Renivohitra fa be loatra ny vola kasaina alaina amin'izy ireo ka tsy zakany.

HO SAHY HATRAMIN’NY FARANY ?
Ny fanontaniana mipetraka dia ny hoe "Tena ho sahy handray fanapahan-kevitra momba ireo mpivarotra tsy ara-dalàna eny amoron-dalana ve io ben'ny tanana io ? Hanaiky izany koa ve ny mpitondra izay te hifikitra mafy amin'ny sezany!?". Raha iverenana ny tantara dia efa samy nanao izay ho afany ireo ben'ny tanana nifandimby saingy mbola izao no zava misy. Mikorontana sy tsy manarapenitra araka ny vina napetraka ny tanàna. Ny tena olana dia ataon'ny mpitondra fisehosehoana ho filoha miaro vahoaka ny fanomezana vahana ny tsy ara-dalàna. Tamin'ny fotoana nitondran'ny ben'ny tanàna Naina Andriatsitohaina die efa nanana heritreritra ny handamina ny tanana ihany koa. Efa noesorina ireo mpivarotra teny amin'ny petite vitesse. Tahaka ny mahazatra moa dia manohitra izany ireo mpivarotra. Tamin'ny fotoana nandalovan'ny fiara nitondra ny filoha Andry Rajoelina mihitsy no nisian'ny hetsika nataon'izy ireo. Ora vitsy taorian'izay dia niditra mivantana tamin'ny alalan'ny antso an-telefaonina i Andry Rajoelina niresaka tamin'ireo mpivarotra ary nilaza fa tsy manaiky ny hanalana azy ireo amin'ny toerana ivarotany ary tonga hatramin'ny fanomezana tosika fameno hoazy ireo, dia niraviravy tanana teo ilay ben'ny tanàna izay manana fahefana feno handray fanapahan-kevitra ny amin'ny handaminany ny faripiadidiany. Raha ny nitranga omaly teny Analakely sy ny manodidina aloha dia ny fandaminana ny araben'ny fahaleovantena sy ny manodidina no tena nisy. Nalamina ny "parking"ho an'ny fiara sy ny Moto. Nesorina ireo mpivarotra sy mpanamboatra finday manamorona ny "arcade" iny.
Solotiana
 

Dans la même rubrique

21-mars-2025

Sarotra ny hanantena fahagagana amin’izao fitondrana izao ao anatin’ny 5 taona ho avy.

Card image cap
21-mars-2025

Nampahafantarina omaly tetsy amin’ny Pho Resto Ampasamadinika ny

Card image cap
21-mars-2025

Tena sahirana ny ankamaroan’ireo zokiolona eto amintsika.

Card image cap
21-mars-2025

Ny taona 2015 aho no niady tao amin’ny fitsaràna ambaratonga voalohany na

Card image cap
20-mars-2025

Nampanantena ny Minisiteran’ny serasera sy ny kolontsaina, fa handray fepetra

Card image cap