airtel

Actualités

11-oct-2024

Fandaminana ny tsena eto Antananarivo

Henjana ny miandry izay ho ben’ny tanàna eo

Sample post image

Goavana ny miandry izay ho ben’ny tanàna eo, raha ny mikasika ny fandaminana ny tsena eto Antananarivo

11-oct-2024

no resahina. An-taonany maro no efa niezaka, azo lazaina hoe nanery mihitsy aza, ny sasany tamin’ireo ben’ny tanàna sy mpitantana ny tanànan’Antananarivo nandalo mba tsy hisian’ny fibahanan’ireo mpivarotra na ny tsena amin’ny fifamoivoizana eto Antananarivo. Tsikaritra ho fototry ny olana ny fandavan’ireo mpivarotra hiditra any anatin’ireo fotodrafitrasa natsangan’ireo mpitantana mba ho antsoina hoe tsena. Na etsy Besarety io na Behoririka na Andravoahangy, rehefa mety natsangana ho tsena eto Antananarivo, dia hita ho saika babangoana fotsiny eo. Tsy azo lazaina ho haingon-tanàna akory fa dia dia foana fotsiny izao. Lasa kolontsain’ny mpivarotra eto Antananarivo mihitsy ilay hoe mivarotra amoron-dalana. Ety, hoy ny valintenin’ny ankamaroan’izy ireo, no mora hitan’ny mpividy. Ireo mpividy koa moa tsy voataiza hiditra any anaty tsena tokoa ny ankamaroany. Fanabeazana maha olompirenena efa matetika navezivezy tamina fantsona isan-karazany, na haino vaky jery io na boky na tambazotran-tserasera hatrany an-tsekoly sy toerana samihafa, ny hoe ny tena olompirenena tsy mividy zavatra eny amoron-dalana fa mampiana-dratsy ireo mpivarotra. Ny hiaraha-mahita nefa dia mbola vitan’ireo mpivarotra hatrany ny manjono ny ankamaroan’ireo mpanjifa hiantsena eny amoron-dalana.
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

03-févr-2025

Midrikina ireo mpamatsy tsy miankina, mangotraka ny delestazy…

Card image cap
03-févr-2025

Tokony notontosaina tamin’ity anio ity, hoy ny sekretera jeneralin’ny Randrana sendikaly ny sabotsy teo,

Card image cap
03-févr-2025

Somary nahatsikaiky mpanara-baovao ihany ny faran’ny herinandro teo ny naheno fa manomboka

Card image cap
03-févr-2025

Ny 17 janoary lasa teo no nilatsaka ny fanapahan-kevitry nampidinina ny vidin-tsolika ka 200Ar

Card image cap
03-févr-2025

Tontosa ny faran’ny herinandro teo ny fandraisana ny masoivohon'ny Repoblika entim-bahoakan'i Chine

Card image cap
03-févr-2025

Efa hita soa aman-tsara afak’omaly Sabotsy 01 Febroary avokoa ireo mpanjono 424 mirahalahy

Card image cap