airtel

Actualités

28-août-2024

Actualités

Fandaniam-bola tsy mamokatra Nananganana Coliseum i Fianarantsoa

Sample post image

Taorian’ny teny Anatirova izay niteraka fifanoheran-kevitra, dia nanao serasera ny Fanjakana tamin’ny alalan’ny

28-août-2024

Sekretariam-panjakana Tanàna Vaovao sy Toeram-ponenana SENVH fa voahaja ny teny nomena, ary mandroso ny asa fanamboarana ny Coliseum ao Ambatomena Fianarantsoa. Vita ny 70% ny coliséum izay mahazaka mpijery hatramin’ny 20 000, hisy fefy sy loge artista, ary hotohizana amin’ny fanajariana ny « avenue commerciale », raha ny tatitra. « Tsy mijanona ho nofinofy intsony ny fanorenana ny ivom-pampandrosoana ao Ambatomena Fianarantsoa araka ny fanamby napetraky ny Filoham-pirenena tanterahin’ny eo anivon’ny, ary mendrika ny hanana fotodrafitrasa hitondra tosika ho an’ny fampandrosoana sy manome endrika vaovao ny tanàna ny faritra Matsiatra Ambony », hoy ny seraseram-panjakana. Nambara fa manana ny lanjany ny tanànan’i Fianarantsoa ka mendrika ivom-pampandrosoana izay tafiditra anatin’ny tetikasa tanàna vaovao atao ao an-toerana tsy nisy nanatanteraka hatramin’izay. Hampiakatra ny lazan’ny tanàna, hanosika ny toekarena, hanome vahana ny kolontsaina ary hampiray ny mponina ny fotodrafitrasa toy izany, raha ny firesaky ny mpitondra. Asa nitondra inona ary izao ny Colisée tetsy Anatirova ? Tena ireny ve no maika sy laharam-pahamehana sa dia fanohizana ny politikam-pandanindaniam-poana efa tsy nahomby hatrizay ? Io izao ny teleferika dia zary volabe sy trosa mihantona eo ? Tena izao zavatra sadasada samihafa izao ve no antsoina hoe : asa fampandrosoana sy fandrosoana ?
Toky R

 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Manamafy ny Fanjakana fa tsy mahasehaka ny saran’ny famokarana ny saran’ny famarotana ny angovon’ny Jirama,

Card image cap
17-oct-2024

Tsy ny famatsian-drano avy amin’ny JIRAMA na Jiro sy rano malagasy ihany amin’izao fotoana

Card image cap
17-oct-2024

Mahazo vahana tanteraka ny asa fivarotan-tena eto amintsika. Ankoatra ny amin’ny tambajotran-tserasera Facebook

Card image cap
OJM
16-oct-2024

Nitondra fampahatsiahivana ny Biraon’ny Holafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara na ny OJM

Card image cap
16-oct-2024

Raha tiantsika hiarina i Antananarivo dia jereo izay olona tsy nanao kolikoly, hoy ny mpanabe

Card image cap
16-oct-2024

Lasibatra indray ny mpanao gazety maro omaly, raha saika hanangom-baovao nandritra

Card image cap