amin’izay manoloana ny fandikan-dalàna sy heloka amin’ny tambajotran-tserasera, fa tapitra izay ny fanentanana. Zava-dehibe izany ary andrasana satria betsaka ny sary toa lasa maneho na mitarika ny olom-pirenena hieritreritra fa toa natao ho an’ireo tsy mitovy hevitra amin’ny Fanjakana ny lalàna hatreto. Sanatria toa ireo manohintohina ny fitondrana ihany no hitan’ny mason’ny haraton’ny mpitondra amin’ny resaka fandikan-dalàna, fa ny ankoatra izay tratry ny baolina ankamely, malalaka ny fanalam-baraka sy fanosoram-potaka,... Tany amin’ny fiandohan’izao fitondrana izao, nihazakazahana ny nisambotra sy nanagadra an-dry Be-Rija Ravelomanantsoa rehefa naneho hevitra teny amin’ny tambajotran-tserasera tany amin’ny fiandohan’ny valanaretina coronavirus. Nihazakazaka ny fisamborana sy fanagadrana an’i Stan’ley Ramarivelo tany amin’ny oktobra 2022 rehefa notondroina ho ao ambadiky ny kaonty nolazaina fa mpaniratsira fitondrana. Haingana dia haingana ny fisamborana sy fanagadrana an’i Jean-Luce Randriamihoatra rehefa nolazaina fa niditra tamin’ny tranonkalan’ny CENI,… Zava-dehibe ny fandraisana andraikitra fa moa tena mitovy tantana ve ny rehetra ? Tranga azo ampahatsiahivina toa maneho fitanilana ohatra ny : fisandohana ny sonia anaran’ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana natovana tamina taratasy tsy misy ifandraisana nentina nandotoana azy 4 na 5 taona lasa teo, izay nisy fitoriana fa tsy nisy tohiny. Tahaka izany ihany koa ny fitoriana nataon’i Tahina Razafinjoelina mikasika fanalam-baraka, fanosoram-potaka, fanamboarana horonan-tsary sy horonam-peo na « montage vidéo » natambatambatra nentina nampiadiana namotehana ara-politika vao tamin’ireo raharaham-pifidianana vao vita faramparany teo fa tsy nisy tohiny. Teo ihany koa ny fanitsakitsahana sy fametavetana tanteraka ny soatoavina Malagasy nilazana mpikambana iray tao anatin’ny Antoko HVM efa nodimandry kanefa mbola nalam-baraka ho mikononkonona fanonganam-panjakana,… Tsy resaka fanakianana na fitsikerana be fahatany fa filazana ny zava-misy hoe : moa mba nisy tompon’andraikitra ara-panjakana niloa-bava sy nanao fampahatsiahivana sy fampitandremana na « rappel à l’ordre » ve nanoloana an’ireny ?
Toky R
Hentitra ny mpandraharahan’ny fonja amin’ny alalan’ny Sendika SPAPM
Atsaharo ny fakana tanim-bahoaka sao ho singam-bolo handavo ny vositra ! »
Misy foana ny fahavaratra sy orana mikija, saingy tsapa sy tsikaritra ho mihamafy
Mahatratra 500 isa ireo fianakaviana manana olana tany amin’ny fireneny tonga
Azo hatao tsara ny manova ireo karazan’entana ao an-trano amin’izao ankatoky ny
Niteraka fahapotehana lehibe sy famoizana ain’aina tany amin’ny faritra atsimon’i