airtel

Actualités

19-juin-2024

Fangatahana tanim-panjakana tao alohan’ny 2011

Hofoanan’ny Fanjakana ny any Alaotra, mila havaozina

Sample post image

Nofoanan’ny Fiadidiam-paritry ny fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany ary ny

19-juin-2024

fananan-tany Alaotra Mangoro rafitra eo ambany fiahian’ny Minisiteran’ny fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany tamin’ny alalan’ny naoty ny fangatahana tanim-panjakana talohan’ny 31 desambra 2010. Notsiahivina ny tamin’ny alalan’ny teny midina laharana 014/MDAT/SG/DR DATSF/ALMAN ny 14 jona teo ny fampiharana ny naoty laharana 232-MADT/Mi.24 tamin’ny 03 jona 2024 lasa teo. Hiroso amin’ny fanafoanana ireo fangatahana talohan’ny daty voalaza etsy ambony ny Fanjakana, raha toa ka tsy misy fanavaozana mialohan’ny 08 jolay 2024. Nisy noho izany ny antso ho an’ireo rehetra manana fangatahana tanim-panjakana mba hanatona ny sampan-draharahan’ny fananan-tany na ny « Domaine » mialohan’ny 8 jolay 2024 mba tsy ho isan’ireo hofoanana ny fangatahana. Isan’ny sehatra tena mampijaly ny Malagasy ny fananan-tany, manahirana ara-taratasy, hanjakan’ny kolikoly, anisan’ireo raharaha betsaka indrindra eny amin’ny fitsarana,... Tena mila fijerena manokana amin’ny lafiny maro : fanamorana ny fikarakarana ny taratasy, tan-tsoroka hahalalan’ny rehetra ny lalàna na fanavaozana ihany koa ny lalàna,… Ekena fa misy ireo fandaharan’asa na programam-panjakana momba ny fizarana kara-tany faobe, saingy tena mbola tsy ampy. Ho tonga amin’izao ve ny tantara raha tsy nitohy ny fandaharan’asa momba ny fananan-tany notohanan’ny Amerikanina tamin’ny alalan’ny MCA (Millenium Challenge Account) raha tsy nisy ny krizy politika tamin’ny 2009 ? Izao isika vao mody mikofokofo manentsina fahatarana 15 taona ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

22-oct-2024

Nitroatra nidina an-dalambe indray ny vahoaka teny Ambohipo omaly takariva.

Card image cap
22-oct-2024

Mafy ny mahazo ireo mpifindra monina nalan’ny tompon’andraikitra tao amin’ny Faritra Menabe

Card image cap
22-oct-2024

Nitrangana toe-javatra mampalahelo tany Ankadilalana, Fokontany Mahazoarivo,

Card image cap