hoy ny antoko politika Otrikafo. Ny tena naha be resaka tamin’ity volana aogositra ity, hoy ny filohan’izy ireo, Elia Rabevahiny, dia ny fahamaizana miodidina ny valan-javaboaharin’Isalo. Amin’iny lalam-pirenena faha 9 na RN9, izany hoe tapany atsimon’ny nosy ihany koa, raha andeha any amin’ny distrikan’i Morombe ianao dia mandalo ilay ala kininina ana hektara maro eo an’elanelan’ny kaominin’i Befandriana sy ny kaominin’Antanimeva, dia ravan’ny afo koa. Tsy misy tsy mahalala tamin’ny fotoan’androny izay any amin’iny tapany atsimon’ny nosy iny fa io no ataon’ny JIRAMA fakàna ireny hazo fanao andrin-jiro ireny. Anatina herinandro iray izany no maha may an’io nefa ny mahavariana, tsy misy miresaka mihitsy ny fahamaizan’ity ala kininina any amin’ny lalam-pirenena faha 9 ity, izay rava tanteraka. Lasa mampametra-panontaniana izany ilay izy hoe inona no anton’izany zavatra rehetra izany, indrindra ny fahanginan’ny manam-pahefana any ifotony?
Ny eo anivon’ny minisiteran’ny tontolo iainana koa zara fa miresaka ireo tranga ireo. Ny valan-javaboarin’Isalo no mamelona ny kaominin’i Ranohira, izay akaiky azy eo, amin’ny alalan’ny fisiana hotely samihafa izay misarika mpizahatany ao. Misy koa ireo mpiseradia na «guide touristique» izay mitari-dalana ireo mpizahatany ireo na teratany izy na vahiny. Misy mametraka adihevitra moa hoe tsy ny ao anatin’ny valan-javaboarin’Isalo no may fa ny manodidina azy ka inona no tokony hahataitra? Sanatria izany andrasana ho rava tanteraka ve ilay valanjavaboaharin’Isalo vao ho taitra isika? Tokony ho jerena fa ngezabe ny fiantraikan’izay amin’ny lafiny ara-toekarena. Eo koa ny lafiny fizahantany satria isan’ny mahasarika mpizahantany betsaka ny valanjavaboaharin’Isalo ho an’iny faritra atsimo iny. Eo koa ny fiantraikany ara-tontolo iainana satria i Madagasikara izany izao dia tena miaina izay fahasimban’ny tontolo iainana sy fiovaovan’ny toetr’andro eto amintsika izay. Etsy ankilany nefa ny fitondram-panjakana malagasy dia mametraka ilay politika hoe handrakotra ala an’i Madagasikara amin’ny alalan’ny minisiteran’ny tontolo iainana. Ny zava-misy nefa dia ahitana doro ala sy doro tanety daholo izay aleha rehetra eto Madagasikara. Mifanipaka tanteraka izany ilay politika sy zava-miseho.
Ho sahirana isika raha mitohy izao satria, mazava ho azy, fa hisy fiantraikany amin’ny lafiny fahasalamana izany. Harary manaraka an’izay koa izany ny lafiny toekarena. Izay izany no isarihana ny sain’ny mpitondra fanjakana hoe tokony mba atao matotra ny politika amin’ity ady amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro sy fahapotehan’ny tontolo iainana ity fa tsy hoe atao fitadiavam-bola na fitadiavana famatsiam-bola ho an’ny fitondram-panjakana fotsiny eran’izao tontolo izao. Sosonkevitra ny hoe tokony omena hasina ireny vondron’olona ifotony na VOI ireny hahafahana miaro ireny valanjavaboahary na tandavan’ala noresahina teo ireny satria tsy ny avy aty amin’ny fitondrana foibe mihitsy no hahavita hiaro izany fa ny fanomezana andraikitra ilay fokonolona eny ifotony. Nanaitra ahy ny nandre manam-pahaizana niresaka nandritry ny «Festival de l’écologie» na fetin’ny ekolojia tany Mahajanga hoe hay io renivohitr’i Boeny io na ny tanànan’i Mahajanga dia ho safotry ny ranomasina amin’ny taona 2100 raha mitohy izao tsy firaharahiantsika sy fanimbantsika tontolo iainana izao, hoy hatrany ny filohan’ny Otrikafo.
J. Mirija
Miditra amin’ny kihon-dàlana farany amin’ny fampielezan-kevitra ireo kandida ben’ny tanàna manerana ny Nosy.
miady mafy ho an'ny fiverenan'ny fiandrianan'ny firenena malagasy ny ARFM ary tena hentitra milaza fa tsy azo
Hiverina ho maina indray ny andro manomboka anio ary haharitra 5 andro,
Manomboka ripaky ny doro-tanety noho ny afitsok'ireo mpanao tavy ny ala amin'iny faritra atsinanana iny,
Miteraka olana eo amin’ny mpivady ny tsy fahaizana mitantam-bola.
Nanomboka omaly ny asa fampodiana ireo biby tratra tany Thaïlande ny volana mey 2024.