nilazany fa madio tanteraka izy, ary tsy misy mitombona ny vesatra nanenjehana azy. Nitondra setriny kosa Rtoa Fanirisoa Ernaivo omaly, raha nivahiny tao amin’ny Top Radio 102.8 FM fa olona tratra ambodiomby izy tamin’io raharaha io, tao anatin’ny fotoana voalaza fa saika hanolorana ny vola no nisamborana azy ireo. Misy porofo maromaro no nangonin’ny NCA (National Crime Agency). Sesefany lainga isika Malagasy tamin’ny resaka nataon’ny tamin’ny TV5 Monde, ary tsy hoe fehezan-teny iray nesorina tamin’ny resaka nataony no itazonana azy, fa horonam-peo maromaro nandritra ny 2022-2023. Tratra ambodiomby izy tany Londres, teo amin’ny fotoana tokony ho nanolorana vola 125 000Francs Suisse. Nolazaina fa karama an’ny «consultant » izay miara-miasa aminy, ary izy dia mikarama ao anatin’ilay asa, misy ekipa miara-miasa aminy hanao « lobbying » eny amin’ny Antenimierampirenena mba hahafahan’ny Gemfields mahazo fahazoan-dàlana hitrandraka harena an-kibon’ny tany. Izy no nampiditra an’i Philippe Tabutteau tao anatin’ny fifampiresahana, ary nampiasaina ny orinasan’io hahafahana mandray ny vola. Lojika raha milaza fa mbola tsy nandray ny vola satria mbola tsy nandrotsa-bola na ny Gemfields na ny NCA izay namandrika azy. Vola 10 000 Francs Suisse avy no notakiany. Isaky ny horonam-peo dia nisy tsikombakomba, ka tafiditra tao ilay 125000 Francs Suisse. Nisy fihaonana tokony ho nataon’i Andry Rajoelina sy ny Gemfields fa nisy olona antsoina hoe :Mishou Randimbiarisoa ao amin’ny Masoivohontsika ao Frantsa, fa notsivalanan’i Romy Voos. Nolazaina fa nofandrihina izy. Nangataka haka cabinet privé hafa mihitsy ny Gemfields fa ry Romy Voos no nisisika fa ny orinasan’i Tabutteau no miara-miasa aminy. Tsy misy milaza ny lalàna Malagasy fa tsy maintsy manana petra-bola 20% amin’ny orinasa mandraharaha eto ny Fanjakan, fa ny tamberiny na « redevance minière » 3% ny orinasa iray, ary mahazo ny fahazoan-dàlana. Nangataka ny Gemfields fa aleo ny 5% amin’ilay 20% efa aty Madagasikara no hakana, ka natao tamin’ny anaran’ny orinasan’i Tabuteau. Niara-nanameloka an’i Romy Voos ny mpitsara. Nolazainy fa efa fanao any Madagasikara fa misy ampahany amin’ny fampiasam-bola no haompana amin’ny fampiasam-bola amin’ny sosialy, ka izay no nangatahana ilay 5% ka lainga izany. Na ilay orinasan’i Tabuteau aza tokony hanaovana fanadihadiana. Nivaky i Romy Voos fa nisy orinasa niaraka niasa taminy dia tafavoaka, fa nisy ny niala tamin’izany, dia nisy olana tahaka ny Madagascar Oil. Mihemotra ny orinasa tena ara-dalàna sy mahitsy te hampiasa vola, tsy makany amin’ny tombotsoam-pirenena fa ho amin’ny tombotsoan’olom-bitsy, hoy i Fanirisoa Ernaivo.
Toky R
Tena henjana ny fitohanan’ny fifamoivoizana eny Ampasika, 67ha atsimo, Cenam nanomboka ny alatsinainy teo.
Miha maro hatrany ireo olona miteny irery eny an-dalana amin’izao.
ny lalàmpanorenana na ny HCC omaly 17 desambra 2024
Efa tsy misy lera mazava intsony ankehitriny omen’ny orinasa Jiro sy rano malagasy na JIRAMA