ny volavolan-dalàna laharana faha-018/2024 sy ny volavolan-dalàna laharana faha-019/2024 mikasika fitrosana ara-bola mitentina 176.151.600.000 Ariary sy 117 434 400 000 Ariary Repoblikan'i Madagasikara sy ny BAD (Banque Africaine de Développement) sy ny FAD (Fonds Africain de Développement). Nambara fa amin'ny taha-jana-bola farany ambany moa ireto fitrosana izay mitentina 293,5 miliara Ar ireto. Natao hanampiana kitapom-bolam-panjakana amin'izao taona 2024 izao ireto findramam-bola roa ireto, ary entina hanampy amin’ny fameloman’aina ara-toekerana na « relance économique » sy hanatsarana ny fitantanana ny sehatry ny angovo, raha ny seraseran’ny Antenimierampirenena. Miharihary hatrany aloha izany fa tsy mahavelon-tena ny Fanjakana Malagasy, ka mihazakazaka amin’ny fitrosana ka ny kitapombolam-panjakana sy ny fanarenana ara-toekerana aza mbola vola vahiny no ianteherana. Fampandrosoana inona no antenaina amin’izany ? Ny Fanjakana banky ropitra, kanefa ny fomba fiasa eto dia mbola betsaka ny endrika kirendrarendra sy haingo ambony tsikoko handanindaniana fahatany ny volam-bahoaka, kanefa ny toekerana miha mitotongana, ny sosialy miha potika, ny olana samihafa toy ny delestazy vahana amin’ny « tip top » sy kivonjivonjy tavanandro,… Mbola ohatra mivaingana azo raisina mandrak’androany ny teleferika notrosaina 152 tapitrisa dolara, ny kianja tsy afaka mandray lalao iraisam-pirenena nandaniana 77 tapitrisa dolara,… Mitondra inona ho an’ny Firenena anefa izao ireo kanefa misy trosa am-polo taonany ? Mandeha ny fitrosana etsy sy eroa fa moa tsara tantana sy misy tamberiny amin’ny vahoaka ? Dia aty aoriana ataon’ny mpiara-miombon’antoka iraisam-pirenena mandadilady mitrosa, raha tsy hilaza afatsy ny fepetra henjana nataon’ny FMI amin’ny fahazoana ny FEC (Facilité Elargie de Crédit) sy FRD (Facilité pour la Résilience et la Durabilité) mitentina 660 tapitrisa dolara hitsitaitaika anatin’ny 3 taona. Ny ampahany 103 tapitrisa dolara, ohatra, vao andro vitsy no notaterin’ny fampahalalam-baovao samihafa fa mbola tsy mety mamoaka an’izany ny Tahirimbola iraisam-pirenena na ny FMI satria tsy nanaja ny fepetra, toy ny fanintsiana ny vidin-tsolika na « ajustement automatique des prix à la pompe »,… Ny lazaina fa fandaharan’asa lehibe toy ny resaka fahavitan-tena ara-tsakafo aza moa mbola kibizibizina amin’ny sinoa ka vary safiotra na « riz hybride » hamoahana 600 miliara Ar no lazaina fa tetikasa mahomby, kanefa mety ho zava-doza hamotika ny nofon-tany. Tsy nisy fakana ny hevitr’ireo manam-pahaizana sy mpikaroka Malagasy fa tonga dia atao tery vay manta tian-kano tsy tian-kano sy holaniana be fahatany ao Tsimbazaza satria ny volomboasary no maro an’isa, ireo lazaina fa mpanohitra tsy hita izay ataony,… 0,001 amin’ny tetibolam-panjakana no atokana ho an’ny fikarohana amin’ny tontolon’ny fampianarana ambony, tsy sitrak’ireo mpampianatra ny hoe : 3000 fotsiny ny mpampianatra raisina ho mpiasam-panjakana, fa tokony 10 000 isan-taona no horaisina, efa an-taonany tsy nisy fandraisana, ireo efa tokony horaisina mihantona,… Mba maharototra ny Fanjakana ve izany ? Hopotehina mihitsy ve ny fampianarana ka zara aza ny Malagasy bado mba ho azo ambakaina hatrany ? Mila fanovana !
Toky R
Tena henjana ny fitohanan’ny fifamoivoizana eny Ampasika, 67ha atsimo, Cenam nanomboka ny alatsinainy teo.
Miha maro hatrany ireo olona miteny irery eny an-dalana amin’izao.
ny lalàmpanorenana na ny HCC omaly 17 desambra 2024
Efa tsy misy lera mazava intsony ankehitriny omen’ny orinasa Jiro sy rano malagasy na JIRAMA