fanapahan-kevitra amin’ny hisian’ny fanadiovana ny mpiasam-panjakana. Milaza ny Fanjakana fa tsy araka ny tokony ho izy, ary mandany volam-panjakana ny mpiasam-panjakana, ka ilana fanadiovana. 187 0798 ny ambara fa isan’izy ireo izay nolazaina fa ts araka ny tokony ho izy sy tena mandany vola na « budgétivore ». Noho izany, nilaza ny hanafoana toerana 50 000 ny Fanjakana mba ho 197 198 ny mpiasam-panjakana voatazona. Efa nandeha ny toromarika samihafa, toy ny tao amin’ny Minisiteran’ny jono sy ny toekarena manga izay naoty na tenimita ho an’ny mpiasa amin’ny tokony haha ara-dalàna ny rehetra, fanajana ny ora iasana sy ny kolontsaina ho amin’ny tsara hatrany, ka ny tsy fanajana ireny sy ny fitondran-tena tsy mendrika dia làlana mizotra makany amin’ny fandroahana,… Andaniny anefa, nisy ihany koa ny filazan’ny Fanjakana ao anatin’ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana, fa manohy ny politikan’ny famoronan’asa mba hisian’ny fiakaran’ny toekarena sy ho fanatsarana ny asam-panjakaa ny Fanjakana Malagasy. Mpiasam-panjakana 14 466 no nambara fa hampidirina any amin’ireo Minisitera, ka ny 3 675 amin’ny alalan’ny fifaninanana ara-panjakana na « concours adminisitratifs », ary 10 791 amin’ny alalan’ny fandraisana mivantana na « recrutement direct ». Ny fampianarana, fahasaalamana, fitsarana, tontolo iainana, ary ny fambolena no nambara fa laharam-pahamehana. Nambara fa amin’ny alalan’ny fanapahan’ny filankevitry ny minisitra no nambara fa mamaritra ny fitsinjarana an’ireo. Ankoatra ny famoronana toerana vaovao, dia 2 025 amin’ireo mpiofana nivoaka tamin’ireo fifaninanam-panjakana ho an’ny taona 2022 sy 2023 ihany koa no hiditra avy hatrany any amin’ireo minisitera mifandraika aminy ho an’ny 2024. Midika ireo lafin-javatra roa ireo fa misy fifanipahana ihany ny zavatra avoakan’ny Fanjakana. Milaza hampiditra mpiasa 14 466 hanamafisana sy hanatsarana ny asam-panjakana kanefa miteny ihany koa fa handroaka mpiasa 5000 koa tsy fambolena krizy ve izany. Iza no handeha aloha, ny fandroahana sa ny fampidirana ? Hesorina ny hafa hampidirana ny akamakama? Hatao sorona ve izany ireo mpiasa madinika mbola tsy tena mpiasa raikitra toy ny ECD ? Efa fisantarana azy ny fandroahana mpiasa 200 mahery teo anivon’ny kaominina Antananarivo ?
ZAVATRA MIFANOHITRA
Ny fanenana mpiasam-panjakana izany aloha dia midika fa mety tsy manam-bola hanaramana an’ireo ny Fanjakana, saingy mifanaraka amin’izany ve ny fihetsika sy ny fanapahan-kevitra raisina amin’izao fotoana izao ? Anisan’izany ny programa hananganana Sekretariam-panjakana miisa 11 izay hisy olona 20 hatramin’ny 25 no handrafitra azy. Olona maherin’ny 200 no miasa ao anatin’izany, miampy ny fiara hiasana, solika, tombotsoa samihafa,… Miharihary hatrany aloha izany hatreto, fa mivoaka-miditra ny Fanjakana ka asa indray izay ho tohin’io na hanaovana fihetsiketsehana politika indray ve hoe : noho ny ezaky ny Fanjakana dia tsy hoesorina indray ireo mpiasa nambara fa horoahina ? Tena ilaina ny fanadiovana raha misy ny tsy araka ny tokony ho izy fa hamorona asa aza tokony hatao dia ny efa eo indray tokoa ve no horoahina ? Ny tsy fisian’ny politikan’ny fampananan’asa mahomby sy ny tsy fahalalahan’ireo sehatra famoronan’asa sy fandraharahana tsy miankina ihany kosa dia lasa varavarana misokatra makany amin’ny kolikoly satria tsy misy asa ka betsaka no mitady làlana ho mpiasam-panjakana !
Toky R
Samy velom-panontaniana ny mpanara-baovao tato anatin’ny herinandro izay manoloana ireo
Niparitaka nanomboka omaly ny didy fampikarohana an’i Bekasy Johnfrince. Karohin'ny polisin'ny
Raim-pianakaviana iray antsoina hoe Hery na Iaban’i Sarah no namoy ny ainy tao amin'ny Kaominina Ranotsara
Miha tery hatrany ny fahafaha-mivelona na fivelomana eto Madagasikara, indrindra, taorian’ny fidiran’ny
Ny lafiny famoronana sy fanatontosana, ireo sisa tena olana amin’ny sarimihetsika malagasy,
Tombanana ho betsaka ny rotsak’orana, izany hoe hahatratra 50 hatramin’ny 100 mm