airtel

Actualités

11-juil-2024

Fanomezan’ny Filoha sy ny governemanta

Nankatoavina ny fiakaran’ny vidin-tsolika…

Sample post image

Nolaniana tao anatin’ny filankevitry ny Minisitra omaly alarobia 10 jolay 2024 ny rafitra

11-juil-2024

ho an’ny fanintsiana ny vidiny ambony indrindra eny amin’ny paompy na « Prix maxima affichés à la pompe » ho an’ny vidin-tsolika eto Madagasikara. Nambara fa ho fampiharana ny fepetra voalazan’ny didim-panjakana laharana 2024-1205 tamin’ny 28 mey 2024 io izay mamaritra an’ity fampiakarana ity. Mametraka ny rafitra ampiharina amin’ny fivarotana solika antsinjarany eny amin’ny tobin-tsolika ho an’ny 1 jolay ka hatramin’ny 31 desambra 2024 io, ary hamaritra ny fomba ara-teknika amin’ny fampiharana nyu mekanikan’izany fanintsiana izany, hoy ny tatitra. Midika io, fa dia hihatra amin’ity volana hitsahintsika ity ilay fanintsiana vidin-tsolika nolazaina ny 21 jona fa tsy hihoatra ny 200Ar. Dia efa ho avy tsy ho ela ihany koa izany ny fiantraikany ara-toekerana sy ara-tsosialy, indrindra fa ny vidim-piainana, toy ireny efa fanambaran’ny mpitatitra ireny na ny zotra nasionaly na ny an-tanàn-dehibe, fa tsy maintsy hiakatra ny saran-dalana. Dia hiakatra ny zava-drehetra… Io izany ny kadô nomen’ny filoha sy ny governemanta amin’izao endriny izao, talohan’ny fametraham-pialany !
Toky R
 

Dans la même rubrique

19-déc-2024

Tena henjana ny fitohanan’ny fifamoivoizana eny Ampasika, 67ha atsimo, Cenam nanomboka ny alatsinainy teo.

Card image cap
19-déc-2024

Miha maro hatrany ireo olona miteny irery eny an-dalana amin’izao.

Card image cap
18-déc-2024

ny lalàmpanorenana na ny HCC omaly 17 desambra 2024

Card image cap
18-déc-2024

Efa tsy misy lera mazava intsony ankehitriny omen’ny orinasa Jiro sy rano malagasy na JIRAMA

Card image cap