airtel

Actualités

24-févr-2025

Fantiantoka 250 tapitrisa dolara isan-taona

« Mety hitohy amin’ny taona ho avy sy aoriany ny delestazy… »

Sample post image

Miharatsy hatrany fa tsy mety tafavoaka ny tontolon’ny angovo sy herinatra eto na mirarakopana

24-févr-2025

hatramin’izao aza ny fampanantenana zavon-tany. Tsy mbola misy tsirim-panantenana mipoitra, fa vao mainka aza miitatra ny olana. Niantsoana an’i Ron Weiss Tale Jeneraly Israelianina lazaina fa nanavotra ny orinasam-panjakana momba ny angovo tany Rwanda kanefa aiza izay vokatra ? Namoaka tarehimarika ny Banky Iraisam-pirenena, naneho fa miditra anaty krizy ara-bola lalina ny JIRAMA satria miaina fatiantoka mitentina 250 tapitrisa dolara isan-taona sy trosa tafakatra hatrany amin’ny 400 tapitrisa dolara. Io dia manasarotra ny fandoavana ny faktioran’ireo mpamatsy tsy miankina sy manakana ireo mety ho fampiasam-bola vaovao. Raha tsy misy fepetra haingana raisina, dia mbola hitohy sy hiharatsy hatrany ireo fahatapahan-jiro lava mianjady amin’ny mponina amin’ny taona ho avy sy aoriana, hoy io rafitry ny Breton Woods. Fianteheran’ny JIRAMA amin’ny solika amin’ny famokarana herinaratra, fihenan’ny famokarana herinaratra avy amin’ny rano noho ny tsy fahampian-drano, fahasimban’ny fotodrafitrasa amin’ny famokarana, fitaterana ary fizarana herinaratra, izay miteraka fatiantoka goavana, ary koa fatiantoka ara-bola sy ara-pitantanana eo anivon’ny JIRAMA no ambaran’ny Banky Iraisam-pirenena fa mikiky ity orinasam-panjakana misahana ny angovo sy herinaratra ity. Miantso fanapahan-kevitra haingana ny Banky Iraisam-pirenena ka manome soso-kevitra amin’ny Madagasikara mba: hanavao sy hanamboatra ireo toby famokarana herinaratra efa misy eo anivon’ny JIRAMA, hanetsika haingana ny sehatra tsy miankina amin’ny fananganana sy fampandrosoana ireo toerana famokarana herinaratra avy amin’ny masoandro. Mbola lavitry ny kitay ny afo mazava ho azy satria na ny drafitra ilàna 7,2 miliara dolara anatin’ny 6 taona resahan’ny Fanjakana aza mbola manidintsidina satria zara raha 1,15 miliara dolara no mety harotsaky ny mpiara-miombon’antoka. Mbola ny serasera mipoapoaka sy ny filalaovana saim-bahoaka aloha no hitosaka raha ny resaka famahana ny olan’ny delestazy…
Toky R
 

Dans la même rubrique

26-mars-2025

Hentitra ny mpandraharahan’ny fonja amin’ny alalan’ny Sendika SPAPM

Card image cap
26-mars-2025

Atsaharo ny fakana tanim-bahoaka sao ho singam-bolo handavo ny vositra ! »

Card image cap
26-mars-2025

Misy foana ny fahavaratra sy orana mikija, saingy tsapa sy tsikaritra ho mihamafy

Card image cap
26-mars-2025

Mahatratra 500 isa ireo fianakaviana manana olana tany amin’ny fireneny tonga

Card image cap
26-mars-2025

Azo hatao tsara ny manova ireo karazan’entana ao an-trano amin’izao ankatoky ny

Card image cap
26-mars-2025

Niteraka fahapotehana lehibe sy famoizana ain’aina tany amin’ny faritra atsimon’i

Card image cap