airtel

Actualités

01-août-2023

Actualités

FARADOFAY Boaderozy an-jatony nodorana natao saribao

Sample post image

Arovana fatratra ny hazo sarobidy eto amintsika mba tsy ho lany tamingana.

01-août-2023

Tsy azo hatao ary voararan’ny lalana ny mikapa sy manondrana azy ireny saingy ny nahavariana dia mbola nisy andramena na boaderozy an-jatony efa voakapa ary nodoran’ny sasany nanaovana harina fandrehina indray tany Faradofay. Raha araka ny fantatra dia lehilahy miisa telo no tompon’antoka tamin’izany ka mbola tazonina ao amin’ny zandary hatramin’ny omaly hariva fotoana nanoratanay. Tany vao avy novidian’olona no nahitana ireo andramena nodorana ireo hoy ny vaovao. Na ilay tompony ankehitriny aza noho izany dia tsy mahalala ny fiavian’izy ireo izay tombanana ho nokapaina dia saika haondrana eto an-drenivohitra mba hanaovana fanaka na fanafody….Tsy tanteraka anefa izany noho ny antony tsy fantatra hany ka nodoran’ireo olona telolahy ireo ireo andramena an-jatony. Ny fanadihadiana hataon’ny mpitandro ny filaminana ihany moa no tena hanamarina izany.
Nangonin’i Pati
Legende : Tahaka izao ny fivangongoan’ireo andramena nodorana tany Faradofay !

 

Dans la même rubrique

22-oct-2024

Nitroatra nidina an-dalambe indray ny vahoaka teny Ambohipo omaly takariva.

Card image cap
22-oct-2024

Mafy ny mahazo ireo mpifindra monina nalan’ny tompon’andraikitra tao amin’ny Faritra Menabe

Card image cap
22-oct-2024

Nitrangana toe-javatra mampalahelo tany Ankadilalana, Fokontany Mahazoarivo,

Card image cap