airtel

Actualités

18-févr-2025

FARIHIN’NY MARAIS MASAY

Esorina ny loto sy ny tsikafona

Sample post image

Manadio ny farihin’ny Marais Masay ny APIPA. Efa nanomboka tamin’ny volana Janoary teo ny asa,

18-févr-2025

hitohy ato anatin’ny 2 herinandro. Tsikafona 15.000 m2 no tsy maintsy alana, midadasika anaty faritra misy rano 20 ha. Loto sy tsikafona 6.960 m3 hatreto no efa afaka ary naterina eny Andralanitra. Tanjon’ny APIPA sy ny kaominina Antananarivo renivohitra raha araka ny loharanom-baovao azo ny hanalana ireo karazana sakana toy ny tsikafona tsy hahafahan’ny rano avy any an-tokantranon’ireo olona eny amin’ny manodidina mikoriana mankao amin’ity farihy ity. Ahiana hiteraka tondra-drano mantsy izany rehefa be loatra. Ankoatra izay dia ny mba hananana tontolo iainana madio sy mirindra ihany koa no tanjona arahin’ny fitandroana ny fahasalaman’ny mponina. Tsiahivina moa fa ao anatin’ny herinandro monja dia mety hahahenika faritra lehibe iray ny tsikafona dimy aman’enina eo noho eo, zava-maniry izay tena haingam-pitombo sy mora vokatra tokoa saingy tsy azon’ny olombelona hohanina.
Pati
Legende : Kely sisa dia voadio tanteraka ny rano eto amin’ny Marais Masay !
 

Dans la même rubrique

26-mars-2025

Hentitra ny mpandraharahan’ny fonja amin’ny alalan’ny Sendika SPAPM

Card image cap
26-mars-2025

Atsaharo ny fakana tanim-bahoaka sao ho singam-bolo handavo ny vositra ! »

Card image cap
26-mars-2025

Misy foana ny fahavaratra sy orana mikija, saingy tsapa sy tsikaritra ho mihamafy

Card image cap
26-mars-2025

Mahatratra 500 isa ireo fianakaviana manana olana tany amin’ny fireneny tonga

Card image cap
26-mars-2025

Azo hatao tsara ny manova ireo karazan’entana ao an-trano amin’izao ankatoky ny

Card image cap
26-mars-2025

Niteraka fahapotehana lehibe sy famoizana ain’aina tany amin’ny faritra atsimon’i

Card image cap