airtel

Actualités

17-mai-2024

Fiarovana ny tontolo iainana

Tetikasa miisa 3 vatsian’ny USAID 41 tapitrisa dolara

Sample post image

Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy omaly 16 mey tetikasa telo vaovao eo amin'ny sehatry ny tontolo iainana,

17-mai-2024

izay vatsian’ny Sampandraharaha Amerikana misahana ny Fampandrosoana Iraisampirenena (USAID) vola mitentina 41 tapitrisa dolara ho an'ny fiarovana sy ny fitantanana ny tontolo iainana eto Madagasikara mandritra ny dimy taona manaraka. Ireto avy ireo tetikasa: Ny USAID Harena, tanterahin'ny DAI , mifototra amin'ny tany izay hiasa eo akaikin'ny faritra arovana mba hanatsarana ny fivelomana, hanamafisana ny ezaka fiarovana, ary hampihenana ny loza manambana ny zavamananaina. Ny USAID Riake, izay tontosain'ny Foiben’ny loharanon-karena amoron-tsiraka ao amin’ny Oniversiten’i Rhode Island Foiben'ny loharanon-karena amorontsiraka ao amin'ny Oniversiten'i Rhode Isla, hifantoka amin'ny fiarovana ny ranomasina sy ny fandrindrana ny faritra hanjonoana sady manatsara ny fivelomana eny amoron-tsiraka. Ny tetikasa fahatelo, USAID Mizana, dia tanterahan'ny Alliance Voahary Gasy, ary hampiasa paikady fiarovana sy ady amin'ny kolikoly hanatsarana ny fitantanana ny tontolo iainana. Hiara-hiasa akaiky ireo tetikasa telo ireo any amin’ny faritra Menabe, Atsimo Andrefana, Atsimo Atsinanana, DIANA, Analanjirofo, SAVA, Androy ary Vatovavy Fitovinany. Nanamafy ny finiavan’i Etazonia ny Ambasadaorony Claire Marie Pierangelo, ka nilaza fa ampitomboin’ny Governemanta Amerikana avo roa heny ny famatsiam-bola ho an’ny tontolo iainana sy ny fiarovana ny harena voajanahary eto. Zava-dehibe ho an’ny fahasalaman'ny mponina sy ny toekarena tokoa ny fiarovana ireo tontolo iainana an-dranomasina sy an-tanety ireo, hoy io Ambasadaoro io. Nisy ny fampirantiana izay nanehoan’ireo mpiara-miombon'antoka miisa 20 amin'ny USAID ny fahaiza-miasany amin'ny fiarovana sy ny fampandrosoana ny fandraharahana maharitra. Ohatra amin’izany ny fanaovana saribao biolojika an’ny Miarakap, ny angovo madion’ny Jiro Ve,.. Nanomboka ny taona 2013, efa hitentina 125 tapitrisa dolara ny famatsiam-bola avy amin’ny Governemanta Amerikana ho an’ny fandaharanasa miady amin’ny fanondranana biby an-tsokosoko sy hazo sarobidy, manamafy ny fitantanana ny harena voajanahary, manatsara ny fitantanana ny ala sy ny ranomasina, ary miara-miasa amin’ny sehatra tsy miankina mba hampitomboana ny soa fanararaotra ara-toekarena ho an’ny vondrom-piarahamonina eto Madagasikara.
Toky R
 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Manamafy ny Fanjakana fa tsy mahasehaka ny saran’ny famokarana ny saran’ny famarotana ny angovon’ny Jirama,

Card image cap
17-oct-2024

Tsy ny famatsian-drano avy amin’ny JIRAMA na Jiro sy rano malagasy ihany amin’izao fotoana

Card image cap
17-oct-2024

Mahazo vahana tanteraka ny asa fivarotan-tena eto amintsika. Ankoatra ny amin’ny tambajotran-tserasera Facebook

Card image cap
OJM
16-oct-2024

Nitondra fampahatsiahivana ny Biraon’ny Holafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara na ny OJM

Card image cap
16-oct-2024

Raha tiantsika hiarina i Antananarivo dia jereo izay olona tsy nanao kolikoly, hoy ny mpanabe

Card image cap
16-oct-2024

Lasibatra indray ny mpanao gazety maro omaly, raha saika hanangom-baovao nandritra

Card image cap