airtel

Actualités

09-août-2024

Fiatrehana ny tondra-drano

Hamafisina ny fanentanana sy serasera mialohan'ny loza

Sample post image

Tsy misy tsy mahatsapa ny fiantraikan’ny fahasimban’ny tontolo iainana sy ny fiovaovan’ny

09-août-2024

toetry ny andro ny rehetra hoy ny Jeneraly ELACK Olivier Andriakaja , Tale Jeneralin’ny BNGRC. Ny miatrika izany ka mitady ny fomba hampihenana izany no imasoana foana. Betsaka ny asa azo atao mialoha hoy izy ka tsy latsa-danja amin’izany ny resaka serasera (communication) izay tokony iraisan’ireo mpiantsehatra amin’ny resaka “humanitaire” rehetra. Nanomboka omaly ka hitohy anio etsy amin’ny Centel Antanimena ny fampivondronana ireo mpiantsehatra amin’ny resaka “humanitaire” ny Croix rouge Malagasy miaraka amin’ny BNGRC, hanatanteraka atrikasa ho entina mavolavola paikady serasera mba handefasana mialoha mialoha ny fanentanana amin’ireo olona mety ho tratran’ny rano be na tondra-drano (innondation). Araka ny fanazavan-Rtoa Andoniaina RATSIMAMANGA, sekretera jeneralin’ny croix rouge Malagasy dia fitaovana hiaingana ho entina manaitra aloha ny vahoaka amin’izay mety ho zava-mitranga ao anatin’ny loza sy tadidonin-doza izy ity mba hanalefahana ny vokadratsin’ny rano be. Nanamafy ny maha zava-dehibe ny fiomanana moa Atoa Tale Jeneralin’ny BNGRC ary nangataka ireo mpiantsehatra rehetra ny tenany mba tsy hanafina ny fahaiza-manaony sy traikefan’ny tsirairay mba ahafahana mananatratra ny tanjona iraisana dia ny fanamboarana ny “outils” ho entina mampilaza mialoha ny vahoaka Malagasy izay miaina anaty fahasahiranana indrindra rehefa tonga ny ranon’orana sy tondra-drano.
Lalaina RAV
 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Manamafy ny Fanjakana fa tsy mahasehaka ny saran’ny famokarana ny saran’ny famarotana ny angovon’ny Jirama,

Card image cap
17-oct-2024

Tsy ny famatsian-drano avy amin’ny JIRAMA na Jiro sy rano malagasy ihany amin’izao fotoana

Card image cap
17-oct-2024

Mahazo vahana tanteraka ny asa fivarotan-tena eto amintsika. Ankoatra ny amin’ny tambajotran-tserasera Facebook

Card image cap
OJM
16-oct-2024

Nitondra fampahatsiahivana ny Biraon’ny Holafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara na ny OJM

Card image cap
16-oct-2024

Raha tiantsika hiarina i Antananarivo dia jereo izay olona tsy nanao kolikoly, hoy ny mpanabe

Card image cap
16-oct-2024

Lasibatra indray ny mpanao gazety maro omaly, raha saika hanangom-baovao nandritra

Card image cap