airtel

Actualités

08-août-2024

FIER MADA ANDIANY FAHA-25

Hisarihana mpampiasa vola ho an’ny tontolo ambanivohitra

Sample post image

Nosokafana tamim-pomba ofisialy omaly Alarobia 07 Aogositra teny amin’ny kianjan’ny

08-août-2024

Makis Andohatapenaka ilay hetsika Fier Mada andiany faha-25 entina hampirantiana ny vokatry ny tantsaha. Somary niavaka kely ity andiany ity raha araka ny fanazavan-dRamanantsoa Jacques izay mpikarakara. Nambarany mantsy fa tantsaha 100% manara-dalana avokoa ireo mpandray anjara izany hoe : manana taratasy avy amin’ny Ministeran’ny fiompiana sy ny fambolena manamarina ny nandoavany hetra. Tanjona amin’ny hetsika araka izany ny mba hahafahana manohana azy ireo amin’ny alalan’ny fisintonana mpampiasa vola mba hampiasa izany eny anivon’ny tontolon’ny ambanivohitra. Mba hampavitrika ireo tantsaha sy hanaovany ny tsara kokoa hatrany anefa dia tokony hisy hoy hatrany Ramanantsoa Jacques ny tolo-tanana entin’ny fanjakana Malagasy ho an’ny tantsaha indrindra rehefa mandalo eto amintsika ireny karazana loza voajanahary ireny toy ny ora-mikija sy haintany ireny. Maro amin’ireo tantsaha mantsy no tena very fanahy mbola velona tsy mahita izay alehany intsony rehefa tratran’ireny tranga ireny. Antony nisafidian’izy ireo ilay loha-hevitra manao hoe : Toe-karena ambanivohitra miroborobo arovan’ny fanjakana amin’ny loza rehetra mihatra amin’ny asa famokarana, izany, loha-hevitra tamin’ity taona 2024 ity. Tsiahivina moa fa haharitra 5 andro ny hetsika izay mampiranty ny vokatra sy ny asa tanana Malagasy manontolo. Natao hamerenana ny endriky ny tsena Malagasy fahiny tetsy Analakely miaraka amin’ny elo fotsy izany izay nahavory olona an-jatony sahady omaly Alarobia andro voalohany.
Pati
Legende : Nandritra ny fitsidihan’ireo tompon’andraikitra ny trano eva !
 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Manamafy ny Fanjakana fa tsy mahasehaka ny saran’ny famokarana ny saran’ny famarotana ny angovon’ny Jirama,

Card image cap
17-oct-2024

Tsy ny famatsian-drano avy amin’ny JIRAMA na Jiro sy rano malagasy ihany amin’izao fotoana

Card image cap
17-oct-2024

Mahazo vahana tanteraka ny asa fivarotan-tena eto amintsika. Ankoatra ny amin’ny tambajotran-tserasera Facebook

Card image cap
OJM
16-oct-2024

Nitondra fampahatsiahivana ny Biraon’ny Holafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara na ny OJM

Card image cap
16-oct-2024

Raha tiantsika hiarina i Antananarivo dia jereo izay olona tsy nanao kolikoly, hoy ny mpanabe

Card image cap
16-oct-2024

Lasibatra indray ny mpanao gazety maro omaly, raha saika hanangom-baovao nandritra

Card image cap