airtel

Actualités

02-oct-2024

FIFANINANANA HIDIRANA HO POLISY

Taratasim-panadinana miisa 3.000 no hotsaraina

Sample post image

Nanomboka afak’omaly Alatsinainy 30 Septambra ny fitsarana ny taratasim-panadinan’ireo

02-oct-2024

mpiadina niatrika ny fanadinana hidirana ho polisim-pirenena andiany faha-79 natao ny 14 sy ny 15 Septambra lasa teo. Mitontaly 3.000 isa eo ho eo ireo taratasim-panadinana ireo mitsinjara amina mpampianatra miisa 60 avy amin’ny lisea eto Antananarivo renivohitra sy ny manodidina. Raha araka ny loharanom-baovao azo dia haharitra 10 andro izany fitsarana izany. Ny taranja Frantsay sy ny matematika ary ny Malagasy no nanadinana ireo mpiadina tamin’izany ka itsy faharoa no tena nampitaraina ny maro. Somary sarotsarotra izany hoy ireo mpiadina nefa manantena ny hahazo naoty ihany izy ireo na dia izany aza. Tsiahivina moa fa nampitomboana 200 isa ireo mpianatra horaisina ho polisim-pirenena amin’ity taona ity ka izay mahay ihany no hahazo ny toerana hoy ny tompon’andraikitra. Hiarahany amin’ny birao mahaleo tena iadiana amin’ny kolikoly mantsy ny fanaraha-maso izany nanomboka tamin’ny fiatrehana ny fanadinana ka hatramin’izao fotoam-pitsarana ny taratasim-panadinana izao.
Pati
Legende : Mafotaka tahaka izao ny asan’ireo mpitsara !

 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Manamafy ny Fanjakana fa tsy mahasehaka ny saran’ny famokarana ny saran’ny famarotana ny angovon’ny Jirama,

Card image cap
17-oct-2024

Tsy ny famatsian-drano avy amin’ny JIRAMA na Jiro sy rano malagasy ihany amin’izao fotoana

Card image cap
17-oct-2024

Mahazo vahana tanteraka ny asa fivarotan-tena eto amintsika. Ankoatra ny amin’ny tambajotran-tserasera Facebook

Card image cap
OJM
16-oct-2024

Nitondra fampahatsiahivana ny Biraon’ny Holafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara na ny OJM

Card image cap
16-oct-2024

Raha tiantsika hiarina i Antananarivo dia jereo izay olona tsy nanao kolikoly, hoy ny mpanabe

Card image cap
16-oct-2024

Lasibatra indray ny mpanao gazety maro omaly, raha saika hanangom-baovao nandritra

Card image cap