Tranga mampiahiahy izay heverina avy hatrany fa kajy sy tetika maloto ara-pifidianana. Misy olona milahatra, manoloana ny foiben’ny kandida iray teny Nanisana omaly, ka rehefa vaky io resaka io dia fantatra fa tsy fokontany iray ihany no misy ilay tranga fa maro, ary heverina fa tetika eran'Antananarivo mihitsy io. Nanisana, Ambohidahy Ankadindramamy, Soavimasoandro, 67ha,... no isan'ny nahenoana izany omaly. Raisina an-tsoratra ny anarana, nangonina sy nalaina sary ny karapanondrom-pirenena ary hampanantenaina vola ireo nilahatra. Nisy ireo nilahatra efa hatramin'ny efatra ora maraina, hoy ny fampahalam-baovao iray omaly. "Teren'ny tsy fanana izahay" hoy ireo nanontaniana, araka ny tatitra hatrany. Ampanantenaina 150000Ar, 300 000Ar ka tsy hita izay marina, hoy ny raim-pianankaviana iray. Toa mampahatsiahy ny gidragidra taorian’ny fifidianana teo aloha izay betsaka ny diso fanantenana ka nirotaka ! Tsy tongatonga ho azy ny tahaka izao fa heverina ho misy tetika ara-politika avo lenta hividianana mivantana na ankolaka ny safidim-bahoaka. Ny mety ho endrika mivantana izany fa na ilay fanampiana ara-bola ho an'ny isan-tokantrano vatsian'ireo mpiara-miombon'antoka aza lalaovina ara-politika ho an'ny tombotsoan'antoko na Vondron'olona. Misy fokontany aza toy ny tao amin'ny Boriborintany faha-4 dia misy tompon'andraikitra sahy mandrahona vahoaka fa tsy maintsy mifidy ny kandidan’izy ireo izay mahazo an’io. Ny resaka fanoloana sefom-pokontany moa zary efa lasa fomba fiady, ka izay mety tsy mitovy firehana amin’ny antokon’ny mpitondra dia miongotra, toy ny tranga tao Morondava, Moramanga,... Mampanahy ny fanesorana SRMV (Sections de Recensements de Matériels de Vote) sy Filohan’ny CED (Commission Electorale de District), ary « chef d'antenne » izay hikirakira ka isan’ny nisehoan’izany tao Tamatave I, Tamatave II, Moramanga, Miandrivazo.
HOVIDIANA AMBONGADINY NY MPIFIDY?
Misy ny loharanom-baovao sy feo mivoaka amin'ny hividianana mpifidy 120 isam-pokontany sandaina 10000Ar isan'olona. Raha raisina amin'io, dia efa misy mpifidy 23000 amboniny raha tena izay, saingy mety mbola ho ambonin'io aza ny kajikajy. Ahiana ny "mercenaires des votes" na mpikarama an'ady hanabontsina ny vaton'izay kandida teren-ko masaka holaniana, ka isan'ny mbola mametraka ahiahy hatrany aloha ilay resaka "ordonnance" hahafahana mampiditra olona ao anaty lisi-pifidianana. Any Moramanga izao, dia misy resaka fangatahana « orodonance » hatrany amin’ny 2000 mampiahiahy. Raha misy birao fandatsaham-bato 5 isaky ny fokontany ka miampy mpikarama an'ady 50 isaky ny birao fandatsaham-bato anie ka efa 48000 manerana an'Antananarivo. Izay no maha zava-dehibe ny tokony hananan'ireo kandida ny lisi-pifidianana sy hamoahana izany eny amin'ny fokontany. Zava-dehibe ny fandehan'ny vahoaka maro an'isa mandeha mifidy satria lasa misy mifidy amin'ny toeran'izay tsy tonga mba hanaovana hala-bato sy fampandaniana izay tiana holaniana. Raviravizana amin'ny vola kely na fanomezana tsy mahavita taona ny olona, saingy hijaly mandritra ny taona. Tsy aleo ve mitodika amin'ny olona mizara fintana fa tsy trondro, mitondra vahaolana maharitra fa milalao ny fahoriam-bahoaka,... Tena mila fanovana ny Firenena ary mila atomboka eto Antananarivo izany. Ampy izay ny fanambakana sy famitaham-bahoaka !
Toky R
Tena henjana ny fitohanan’ny fifamoivoizana eny Ampasika, 67ha atsimo, Cenam nanomboka ny alatsinainy teo.
Miha maro hatrany ireo olona miteny irery eny an-dalana amin’izao.
ny lalàmpanorenana na ny HCC omaly 17 desambra 2024
Efa tsy misy lera mazava intsony ankehitriny omen’ny orinasa Jiro sy rano malagasy na JIRAMA