airtel

Actualités

05-août-2024

Figadrana tany Londres

Votsotra i Romy Voos

Sample post image

Nafahafan’ny Fitsarana Britanika i Romy Voos Andrianarisoa,

05-août-2024

Tale Kabinetran’ny Fiadidian’ny Repoblika teo aloha, izay voasambotra tany Londres ny 10 aogositra 2023 rehefa voarohirohy ho nikasa hanao tsolotra sy kolikoly avo lenta. Tsiahivina fa notorian'ny orinasa Gemfieds ho nitaky tsolotra 225 000 livre sterling sy petra-bola 5% ho tambin'ny fanomezana taratasy fahazoan-dalana hitrandraka harena an-kibon'ny tany eto Madagasikara izy ireo. Voaheloka 3 taona sy tapany na 42 volana an-tranomaizina ny 09 mey lasa teo. Herinandro izay no nahafahafany raha ny nambarany tao amin’ny fahitalavitra TV5 Monde ny sabotsy lasa teo. Noho ny fitondra-tena mendrika tany am-ponja sy tsy fisian'ny porofo izay nanamelohana azy no nambarany fa nahafahany. Nandà ny fiampangana azy momba ny kolikoly avo lenta i Romy Andrianarisoa. Nolazainy fa ny firaketana feo nampiasaina taminy dia voahodina amin'ny fomba tsy marina. Ireo firaketana feo, nataon'ny NCA (National Crim Agency), dia maneho fa nangataka vola 260 000 euros sy fandraisana anjara 5 % amin'ny renivohitra izy, tambin’ny fahazoan-dàlan’ny Gemfields hitrandraka harena an-kibon’ny tany. Nolazainy fa fifampiraharahana ara-dalàna momba ny fampiasam-bola sosialy eto Madagasikara io. Ny fampiasam-bola ao Madagasikara dia misy ny fampiasam-bola ara-tsosialy atao ankoatra ny tena tetikasa tena ifotorana, raha ny nambarany. Nilaza noho izany i Romy Voos Andrianarisoa, fa fifampiresahana mikasika izay fampiasam-bola ho an’ny sosialy no nataony. Tsy nahitana porofo ny kaontiny, fa ny resaka nifanaovana no voaray feo. Nolaviny tanteraka ny filazana azy ho tratra ambodiomby. Ny porofo rehetra, ny resaka nifanaovako tamin’ny Gemfilds, ny resaka nifanaony tamin’ny Filohan’ny Repoblika sy ny Praiminisitra, ny kaontin’ny bankiny,… dia tsy nahitana na inona, ary nolazainy fa tsy nirotsaka tao amin’ny kaontiny manokana rahateo io vola io.

NIARO NY FANJAKANA HO TSY MANAO KOLIKOLY
Nokianiny ny rafitra fitsarana britanika, milaza fa ny « jury » dia tsy nahatakatra ny zava-misy eto Madagasikara sy ny fomba fanapahan-kevitra amin'ny governemanta, ary misy tsy mahalala na inona na inona. Manasongadina izy fa tsy hita porofo azo tsapain-tanana momba ny kolikoly afa-tsy ireo firaketana feo nifanaovana. Taorian'ny fisamborana an'i Romy Andrianarisoa, ny filoham-pirenena dia naneho ny tsy fahalalany ny anton'ny dia nataony tany Royaume-Uni. Na izany aza, mitazona fa nanana fifandraisana mahomby tamin'ny filoha Rajoelina izy, izay araka ny voalazany dia nanao ny fanapahan-kevitra tsara tamin'ity toe-javatra ity i Andry Rajoelina, ka namela malalaka ny fitsarana hanao ny asany. Na dia eo aza io fitsapana io, naneho ity Tale Kabinetran’ny Fiadidian’ny Repoblika fa vonona hiverina an-tanindrazana hitondra ny anjara birikiny amin’ny fampandrosoana, ary miantso ny Malagasy hanao izany. Niezaka nanadio ny Fitondrana Rajoelina i Romy Andrianarisoa, ka nilaza fa tsy tonga lafatra saingy hentitra amin’ny fangaraharana amin’ny tsenambaro-panjakana sy ny ady amin’ny kolikoly ny Fitondrana Rajoelina.


MAHA BE FANONTANIANA !
Izay no fomba firesany ofisialy mikasika ny fahafahany, saingy betsaka ny mpanara-baovao maneho fa nivadika fotsy tampoka ny mainty. Raha raisina amin’ny firesany aloha, dia tena nisy izany ilay fitakiana vola be fa ny filazana azy sy ny hoe : fampiasana azy amin’ny asa sosialy no voalmbolana lalaovina, fa tsy tsolotra ho tambin’ny fahazoana fahazoan-dàlana. Fanamelohana fahatany ve no nataon’ny Fitsarana Britanika ka lasa afaka madiodio tampoka ity olon’ny fitondrana volomboasary ity ? Nisy didim-pitsarana nanafaka azy toy ny niseho tamin’ny fanamelohana azy ve? Fahafahana tsotra sa nisy fifanarahana teo amin’ny samy Fanjakana ? Ho voadio ve ny laza ratsin’i Madagasikara taorian’ny fahafahany ? Ho afaka ve ny ahiahin’ireo mpampiasa vola fa rehefa hampiasa vola aty Madagasikara ?
Toky R

 

 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Manamafy ny Fanjakana fa tsy mahasehaka ny saran’ny famokarana ny saran’ny famarotana ny angovon’ny Jirama,

Card image cap
17-oct-2024

Tsy ny famatsian-drano avy amin’ny JIRAMA na Jiro sy rano malagasy ihany amin’izao fotoana

Card image cap
17-oct-2024

Mahazo vahana tanteraka ny asa fivarotan-tena eto amintsika. Ankoatra ny amin’ny tambajotran-tserasera Facebook

Card image cap
OJM
16-oct-2024

Nitondra fampahatsiahivana ny Biraon’ny Holafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara na ny OJM

Card image cap
16-oct-2024

Raha tiantsika hiarina i Antananarivo dia jereo izay olona tsy nanao kolikoly, hoy ny mpanabe

Card image cap
16-oct-2024

Lasibatra indray ny mpanao gazety maro omaly, raha saika hanangom-baovao nandritra

Card image cap