airtel

Actualités

05-sept-2024

Fihinana katy matetika

Mampiakatra ny tosi-drà sy ny fitempon’ny fo

Sample post image

Teratany malagasy miisa roa ,lahy sy vavy, mbola tanora (28 taona)

05-sept-2024

no nosamborina tao amin'ny seranam-piaramanidina, tatsy amin'ny nosy Maorisy, ny alahady hariva teo. Nahatrarana katy milanja 440 grama tao anaty entan'izy mianadahy. Tombanan’ny fadintseranana Maorisiana ho Rs 500 000 na 48 tapitrisa ariary ireo katy ireo. Nampidirina am-ponja vonjimaika izy ireo. Anisan’ireo zavamaniry sokajiana ho zava-mahadomelina ny katy ary raha ry zareo Maorisiana aloha dia tena sarotiny ny amin’ny hampidirina izany ao amin’ny taniny. Any amin’iny faritra avaratr’i Madagasikara iny moa dia amidy ohatry ny anana eny an-tsena ary talaky maso tsara ny katy, tsy misy teritery na fanenjehana ary na lahy na vavy , na ankizy na tanora na efa zokiolona dia mitsakotsako azy avokoa. Efa tonga anya mina faritra hafa eto amin’ny nosy ihany ko aizy io , raha eto Antananarivo ohatra dia iny faritr’i 67 ha iny no tena misy ireo mpivarotra azy. Raha ara-tantara dia avy any Yemen sy Etiopia no nahafantarana voalohany ny fihinanana katy ; nambara tamin’izany efa taloha ela be izany fa manala havizanana ny katy. Tsara ho fantatra anefa fa ny fihinanana azy isan’andro dia mampiakatra tosidra sy ny fitempon’ny fo, manafana be ny vatana ary miteraka fiankinan-doha. Mety hitarika fikorontanan-tsaina ihany koa ny katy ary mahatonga ny olona iray ho lahery fihetsika sy tia setrasetra. Izany no antony anasokajiana azy ho zava-mahadomelina, izany hoe miteraka voka-dratsy ho an’ny vatan’olombelona na ho ela na ho haingana. Asa aloha izay tena ho ataon’ny fanjakana Malagasy fa raha raisina tokoa ho zava-mahadomelina ny katy izany hoe voararan’ny lalàna ny fihinana sy ny famarotana azy , dia mety tsy homby ny fonja misy isaky ny distrika indrindra fa any amin’iny faritanin’Antsiranana iny.
Nangonin’i RTT
 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Manamafy ny Fanjakana fa tsy mahasehaka ny saran’ny famokarana ny saran’ny famarotana ny angovon’ny Jirama,

Card image cap
17-oct-2024

Tsy ny famatsian-drano avy amin’ny JIRAMA na Jiro sy rano malagasy ihany amin’izao fotoana

Card image cap
17-oct-2024

Mahazo vahana tanteraka ny asa fivarotan-tena eto amintsika. Ankoatra ny amin’ny tambajotran-tserasera Facebook

Card image cap
OJM
16-oct-2024

Nitondra fampahatsiahivana ny Biraon’ny Holafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara na ny OJM

Card image cap
16-oct-2024

Raha tiantsika hiarina i Antananarivo dia jereo izay olona tsy nanao kolikoly, hoy ny mpanabe

Card image cap
16-oct-2024

Lasibatra indray ny mpanao gazety maro omaly, raha saika hanangom-baovao nandritra

Card image cap