ny andraikiny koa no mbola hazaina rehefa mitoroka ny tsy rariny misy eo amin’ny fiarahamonina any ambanivolo any, hoy ny fikambanana FIVATO na Fiaraha-mientan’ny vondron’olona tomponandraikitra. Ohatran’ny tao Mananara avaratra izao, hoy ny filohan’izy ireo, Radimbielison William, dia nandefa olona tany izahay hanara-maso ny kolikoly any. Ny zava-misy indray, hoy izy, dia mikononkonona indray ny fitondram-panjakàna, ireo izay miheritreritra ny hanohy ny asa ambony latabany ka tsy tiana ho elingelenina, dia hamoronana fitoriana indray koa ny olon’ny FIVATO. Voatery nandositra niala tany ilay olona satria tsy misy mpiaro. Ilay fitondram-panjakàna tokony hitoriana na hitarainana, miray tsikombakomba amin’ny mpitandro filaminana sy ireo vaditany na «Huissier» heverina ho manao adalàna any. Hijery akaiky an’io raharaha io ny fikambanana ary hanatona tomponandraikitra ambony satria tena mihoam-pampana ny fanaparam-pahefana amin’ny tontolo ambanivohitra ankehitriny. Sahala amin’ny tany tsy misy fanjakàna. Ny atao hoe «présence de l’état» na fisian’ny fanjakàna akory tsy fanaovana fotodrafitrasa amin’ny tontolo ambanivohitra, araka ny notenenin’ny filoham-pirenena, fa ny fahitàna taratra izany fisiana fanjakàna izany any amin’ny tany heverina ho lavitra andriana na ambanivohitra. Tsy hita taratra any ilay fisiana fanjakàna dia manararaotra any daholo io bodo sy adala rehetra io manampatra fahefana. Tsy hisy fandrosoana eto amin’ny firenena raha tsy fongorina aloha ireo mpanampatra fahefana ireo. Manana fitoniana ny vahoaka vao hisy ny fampandrosoana. Ny FIVATO izao no manampy ny olona manao fitoriana satria na ny manao an’io aza tsy hain’ny olona dia lasa tsy azo raisina na tsy mitombina ilay fitoriana avy eo. Misy porofo mila avoitra tsinona ao anatin’ilay fitoriana na fitarainana dia isan’ny asan’ny FIVATO izany. Manao antsoavo hatrany amin’ny tomponandraikitra ambony satria lasa miaro ny olony fotsiny ny tomponandraikitra ambony hoe ahoana no hisiana na hanamafisana lalàna iarovana ny mpitoroka toy ny FIVATO na mpisintona lakolosy? Efa nisy volavolan-dalàna nandeha eny amin’ny antenimieram-pirenena nefa tsy mbola lany izany hatramin’izao. Raha tsy mafimafy izany ny lalàna fiarovana ny mpitoroka sy vavolombelona sahy mijoro amin’ireny mpanao ratsy ireny dia tsy ho foana mihitsy izany resaka kolikoly sy fanamparam-pahefana izany. Tsy mahafa-po anay loatra hatreto ny vokatra, indrindra, ho an’ny mpitandro filaminana satria izy ireo dia manana sata manokana miaro azy. Trabonaly miaramila no tokony hitsara an’ireny. Tsy miasa eto nefa ny fitsaràna miaramila. Lasa mijery fotsiny manoloana ny tsy fanarahan-dalàna sy fihoaram-pefy ataon’ny mpitandro filaminana sasany ny fitsaràna tsotra. Io no tena endrika tsy fandriampahalemana manahirana ny olona amin’izao fotoana izao ankoantran’ny resaka asan-dahalo sy ny hafa. Ny tomponandraiki-panjakàna izay hitsikitsika natao hivavahana indray no mifaoka ny zanak’akoho. Tsy misy tandroka aron’ny vozona izany fa tena ohatran’izay voa manodidina. Mikaikaika ny vahoaka manoloana izany tranga izany, hoy hatrany ny FIVATO.
J. Mirija
Eo ny olan’ny herinaratra izay efa nampitaraina ireo mpisehatra tsy miankina sy niantsoana vahaolana
nisokatra ofisialy ny alatsinainy tolakandro teo ny taom-piotazana lodisia eto amintsika.
Zaza menavava iray lahikely no fantatra fa hita faty efa tsy nisy loha sy tanana intsony omaly
Nisokatra tamin'ny fomba ofisialy nanomboka omaly 13 novambra 2024 ny tranokala vaovao What The Fact https://whatthefact.wearecid.mg,
amin’ny fanenana 80% ny delestazy eto Antananarivo
Mahazo vahana tanteraka ny hafanana amin’izao eto an-drenivohitra sy ny manodidina.