airtel

Actualités

31-août-2023

Fikambanana Hasin’ny Zazamanga

“Diovy i Mahamasina ialana amin’ny faty olona mikararana!”

Sample post image

Amin’ny maha mpandala ny nentin-drazana ny fikambanana Hasin’ny Zazamanga dia zava-dehibe aminay ny fanabeazana,

31-août-2023

hoy ny filohan’izy ireo, Sarobidy Rakotondravao. Efa ela izahay no nanao antsoavo amin’ny tomponandraiki-panjakana, mpitarika fikambanana, ONG rehetra mba hijery akaiky ity fidiran’ny mpianatra ity satria iaraha-mahalala ny fahasahiranana eto amin’ny tany sy firenena mahazo ny ray aman-dreny, hoy izy. Miakatra ny saram-pianarana sy vidin’ny fitaovam-pianarana. Be dia be no miresaka sy manao ny tokony ataony amin’ny zavatra hafa. Raha azo atao dia aleo re alefa any amin’ny fanabeazana ny vola alefa amin’ny fandanindaniam-poana rehetra! Isika olompirenena notahian-janahary afaka manampy na dia olona iray sy roa aza dia efa mba miha maivana ny fahasahiranan’ireo sahirana. Aza manenji-dresy fa andao hifanohana sy hifanampy! Ny Hasin’ny Zazamanga moa nitondra ny tsirambin’ny tanany tamin’ny alalan’ny fizarana fitaovam-pianarana isan-karazany. Miondrika am-panajana manoloana ireo fianakaviana nanana namoy aina sy mirary fahasalamana ho an’ireo naratra tamin’ny loza nitranga teny Mahamasina farany teo ny Hasin’ny Zazamanga. Samy malagasy isika. Efa nisy ny faty olona nikararana toy ireny tao Mahamasina fa tsy voalohany iny. Nisy ota fady tao amin’io toerana io. Diovy Mahamasina ialana amin’ny faty olona mikararana toy ireny. Namonoan’ny sinoa osy mainty tao. Diovy Mahamasina rehefa vita ny lalaon’ny nosy. Matetika tsy maintsy misy vono omby rehefa aorian’ny loza toy ireny mba hanadiovana ilay toerana. Miantso ny mpitondra fanjakana sy ireo raiamandreny, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Manamafy ny Fanjakana fa tsy mahasehaka ny saran’ny famokarana ny saran’ny famarotana ny angovon’ny Jirama,

Card image cap
17-oct-2024

Tsy ny famatsian-drano avy amin’ny JIRAMA na Jiro sy rano malagasy ihany amin’izao fotoana

Card image cap
17-oct-2024

Mahazo vahana tanteraka ny asa fivarotan-tena eto amintsika. Ankoatra ny amin’ny tambajotran-tserasera Facebook

Card image cap
OJM
16-oct-2024

Nitondra fampahatsiahivana ny Biraon’ny Holafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara na ny OJM

Card image cap
16-oct-2024

Raha tiantsika hiarina i Antananarivo dia jereo izay olona tsy nanao kolikoly, hoy ny mpanabe

Card image cap
16-oct-2024

Lasibatra indray ny mpanao gazety maro omaly, raha saika hanangom-baovao nandritra

Card image cap