airtel

Actualités

06-mars-2025

Fikambanana Loharano

Mankalaza ny 20 taona nijoroany

Sample post image

Mankalaza ny 20 taona nijoroany ankehitriny ny fikambanana Loharano,

06-mars-2025

hoy ny filoha mpanorina azy, Fitomiandalana. Misahana lafin-taranja hafa, hoy izy, ny fikambanana saingy manana ny anjara toerany manokana anatin’izany ny Kabary. Hisokatra tsy ho ela ny fankalazàna. Hisy famoaham-boky nosoratan’ny tena ao anatin’izany. Boky miisa 3 no havoaka amin’ity taona ity raha tahian’Andriamanitra. Any amin’ny volana aprily any no tokony hisokatra io fotoam-pankalazàna io ary any amin’ny volana desambra 2025 no ho faranana io satria desambra 2005 no nitsangana ny fikambanana. Dingana lehibe no vita tao anatin’ny 20 taona. Isan’ny efa voafidy ho filoha mpanorina ny VMPA na Vondron’ny mpikabary ankehitriny ny tenako. Ny fangatahana ny kabary ho isan’ny vakoka iraisampirenena tany anivon’ny UNESCO tany Frantsa dia isan’ny nanasonia izany ihany koa ny tena. Avy amin’ny fikambanana loharano koa no nahatongavan’ny tena teo anivon’ny Federasionin’ny teny sy ny soratra. Boky miisa 4 izay no efa navoakan’ny fikambanana Loharano. Hivoaka amin’ity taona ity indray ny boky miisa 3, izany hoe miisa 7 izay ny boky navoaka, hoy hatrany ny fanazavàna.
Nangonin’i J. Mirija
 

Dans la même rubrique

26-mars-2025

Hentitra ny mpandraharahan’ny fonja amin’ny alalan’ny Sendika SPAPM

Card image cap
26-mars-2025

Atsaharo ny fakana tanim-bahoaka sao ho singam-bolo handavo ny vositra ! »

Card image cap
26-mars-2025

Misy foana ny fahavaratra sy orana mikija, saingy tsapa sy tsikaritra ho mihamafy

Card image cap
26-mars-2025

Mahatratra 500 isa ireo fianakaviana manana olana tany amin’ny fireneny tonga

Card image cap
26-mars-2025

Azo hatao tsara ny manova ireo karazan’entana ao an-trano amin’izao ankatoky ny

Card image cap
26-mars-2025

Niteraka fahapotehana lehibe sy famoizana ain’aina tany amin’ny faritra atsimon’i

Card image cap