airtel

Actualités

24-juin-2024

Fikambanana Mamiratra

Nahavita tetezana mirefy 280 metatra ao Antehiroka

Sample post image

Tao anatin’izay 12 taona nisiany izay no nirotsahan’ny fikambanana na «association»

24-juin-2024

Mamiratra teo anivon’ireo fokontany miisa 9 ao amin’ny kaominin’Antehiroka, izay ahitana an’i Morondava, Ambohibao, Andranoro, Antsakambahiny, Antanetibe, Amboarohy, Antanamohitra, Ambohijanahary, Ankadivory, hoy ny fanazavan’Andrianarivelo Toky Harilanto, filohan’ny fikambanana. Raha nisehatra tamin’ny fanampiana ireo zaza sahirana izany teo aloha dia nivelatra tamin’ny fanampiana ireo tanora tsy an’asa sy ireo sahirana amin’ny ankampobeny mihitsy izany taty aoriana, hoy izy. Ankehitriny dia nahavita ity tetezana mirefy 280 metatra eo ity ny fikambanana, miaraka amin’ireo mpiara-miombon’antoka ao amin’ny Happy B, izay rantsana anaty fikambanana Mamiratra ihany. Tao anatin’ny 1 volana teo no nanatontosana ny asa. Tetezana fandehanan’ny olona avy any Andramiarana mankaty Andranoro io. Tena sahirana ny olona nandeha teo rehefa avy orana ary be dia be ny zaza efa naratra teo. Maherin’ny 15 tapitrisa Ariary teo kosa no lany tamin’ny nanamboarana izany. Efa ela no nangatahan’ny mponina fanampiana hananganana io tetezana io. Ao anatin’ny fokontanin’i Morondrava moa eto fa Andramiarana kosa no anaran’ny toerana, hoy hatrany ny fikambanana. Aoka tsy hisy hilaza ho nahavita ity fotodrafitrasa ity, ankoatran’ny fikambanana Mamiratra, hoy kosa ny solontenan’ireo mponina nandray fitenenana.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

22-oct-2024

Nitroatra nidina an-dalambe indray ny vahoaka teny Ambohipo omaly takariva.

Card image cap
22-oct-2024

Mafy ny mahazo ireo mpifindra monina nalan’ny tompon’andraikitra tao amin’ny Faritra Menabe

Card image cap
22-oct-2024

Nitrangana toe-javatra mampalahelo tany Ankadilalana, Fokontany Mahazoarivo,

Card image cap