airtel

Actualités

11-sept-2024

Fikambanana TAMAFI

Miady amin’ny tsy fananan’asa mahazo ny tanora

Sample post image

Ny 70%-n’ireo tanora manodidina ny 30 taona eto amintsika dia saika tsy an’asa avokoa.

11-sept-2024

Voafaoka ao anatin’izany ireo nahavita sy tsy nahavita fianarana, antony manosika ireo karazana Fikambanana handray ny andraikiny ho enti-miady amin’ny fahantrana. Anisan’izany ny Tanora Mampandroso Firenena na ny TAMAFI tarihin’ny filohany Ramamialivony Mamivola. Raha araka ny fantatra dia efa mahatratra 600 hatreto ireo mpikambana ao amin’ny TAMAFI manerana ny Nosy. Ankoatra ny fanomezana toro-hevitra ny tanora mba tsy sanatria hivary lavo na hataotao foana dia manome fiofanana toy ny asa fanamboaram-bolo ihany koa izy ireo. Tanora mihoatra ny 30 isa hatreto no efa nahita asa vokatr’izany. Amin’ny alalan’ny latsak’emboka hataon’ny mpikambana moa no mbola hahafahana mampiodina ny fikambanana hatreto. Ezaka goavana efa vitan’izy ireo ohatra ny nanangana toerana fanamboaram-bolo iray ka sady afaka mampidi-bola ho an’ny fikambanana ireo mpikambana no mahavelona tsara ny tenany ihany koa. Nisy ny fihaonana notanterahin’izy ireo nentina nanamafisana ny firaisankinan’ny mpikambana ny faran’ny herinandro teo teny Imerinkasinina.
Pati
Legende : Ny Filohan’ny fikambanana TAMAFI, hotronin’ireo mpikambana ao aminy !

 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Manamafy ny Fanjakana fa tsy mahasehaka ny saran’ny famokarana ny saran’ny famarotana ny angovon’ny Jirama,

Card image cap
17-oct-2024

Tsy ny famatsian-drano avy amin’ny JIRAMA na Jiro sy rano malagasy ihany amin’izao fotoana

Card image cap
17-oct-2024

Mahazo vahana tanteraka ny asa fivarotan-tena eto amintsika. Ankoatra ny amin’ny tambajotran-tserasera Facebook

Card image cap
OJM
16-oct-2024

Nitondra fampahatsiahivana ny Biraon’ny Holafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara na ny OJM

Card image cap
16-oct-2024

Raha tiantsika hiarina i Antananarivo dia jereo izay olona tsy nanao kolikoly, hoy ny mpanabe

Card image cap
16-oct-2024

Lasibatra indray ny mpanao gazety maro omaly, raha saika hanangom-baovao nandritra

Card image cap