Aripany ao anatin’izay ny ala eo amin’ilay toerana alohan’ny hanaovany fitrandrahana. Ilay zavatra ho trandrahany any ambany any amin’ny 100 metatra mahery. Ny sosona miaro ny tany na “nappe phréatique” nefa ato ambony ato. Mitady rano betsaka izy rehefa mitrandraka. Raha hahazoany 1 taonina amin’ny fasimainty, ohatra, dia handaniany 1000m3-na rano. Tsy maintsy voaloto io rano io satria mampiasa “Acide d’ammonium”, “acide oxalique” izy hanadiovany an’io. Dia misy fako manimba na “déchets toxiques” sy “déchets radioactifs” 2000 taonina. Atao aiza izany ilay rano maloto sy fako manimba? Tsy maintsy maloto izany ilay “nappe phréatique” hanaovan’olona vovo hisotroan’olombelona sy biby fiompy ohatra. Rehefa azo ilay uranium sy plutonium 232 ao ambany ao dia hamokarana baomba nokleary sy fitaovam-piadiana famotehana mahery vaika, ankoatran’ny zavatra tsy mamono olona. Raha ny arabo no mahazo ilay fitaovam-piadiana dia tena asa. Mpitondra manaiky hamono olona maro izany ny mpitondra manaiky ny handehanan’io Base Toliara io. Tsy ekena ny famonoan’olona sy fanimbana tontolo iainana. Mpamboly, mpiompy, mpihaza, mpanarato ny mponina eo. Misy tetikasa azo atao mifandraika amin’izany. Ny filoham-pirenena moa no mpanapa-kevitra ary ny olona mampirisika any dia olon’ny fitondrana. Ho hita eo moa ny tohiny fa izahay tsy manaiky, hoy hatrany izy ireo.
J. Mirija
Tena efa reraka ny vahoaka raha mbola hizioga krizy toy izay nisy teo aloha, hoy ny mpikatroka avy eo anivon’ny
Misy mangalatra hatramin’ny vary mbola tsy voajinja eny an-tsaha amin’izao ankatoky ny fankalazana ny Fetin’ny Krismasy sy ny faran’ny taona izao.
Vao mainka nandeha be ny fampanofana vorona tamin’ity taona 2024 ity raha oharina tamin’ny taon-dasa,
Sahiran-tsaina ny ankamaroan’ireo ray aman-dreny ao anatin’izao fidirana amin’ny fialàn-tsasatry
Nitelina zazalahy kely iray vao 10 taona monja indray ny ranon’Ikopa ny Zoma 20 Desambra lasa teo.
Notanterahina ny 20 sy ny 21 Desambra lasa teo teny amin’ny zaridainan’Antaninarenina ilay