airtel

Actualités

09-juil-2024

FIKOJAKOJANA MILINA-TETIKASA ODOF

Hampitoviana avokoa, hitadiavana lalam-barotra ny tantsaha

Sample post image

Ho ampitoviana avokoa ny fikojakojana na ny entretien an' ireo milina ao anatin'ny tetikasa ODOF

09-juil-2024

manerana ireo distrika eto amin'ny Nosy. Izany dia mba ahafahana mitazona ny kalitaon'ny vokatra vokariny , eo ihany koa ny mba ahafahany miodina amin'ny antsakany sy andavany. Hiara-kiasa amin'ireo mpandraharaha amin'ny fanatanterahana izany fikojakojana izany ny orinasa US OKES avy atsy Afrika Atsimo. Orinasa izay efa manana traikefa eo amin'ny resaka fikirakirana sy fikojakojana milina mpanodina vokatra. Ankoatra izay, hanampy ireo mpandraharaha amin'ny fitadiavana lalam-barotra ihany koa ity orinasa ity araky ny voafaritra ao anatin'ny fifanarahana natao teo amin'izy ireo sy ny ministeran'ny fampiroboroboana ny Indostria sy ny Varotra ary ireo mpandraharaha omaly tetsy Anosy. Etsy ankilan'izay, manana ny anjara andraikiny ihany koa ireo mpandraharaha nahazo ny fitantanana ny milina ODOF. Nanaiky izy ireo fa hanaja ny fenitra takiana amin'ny vokatra vokarina, hiara-hiasa mivantana ihany koa amin'ireo tantsaha amin'ny fampiasana ny vokatra vokarin'izy ireo ary indrindra ny fakana ny fahazoan-dalana mivarotra ny vokatra. Fifanaovan-tsonia roa sosona araka izany no notanterahina. Ny fifanaraham-piaraha-miasa lasitra voalohany dia teo amin’ny Minisitra Edgard Razafindravahy sy ny Orinasa afrika tatsimo Us Okes Pty Ltd. Ny faharoa kosa dia nanaiky koa ireo mpandraharaha sy kaoperativa 17 mitantana ny orinasa ODOF fa hanaja ny fenitra ara-kalitao, handray ireo akora fototra avy amin’ny kaoperativa ary hangataka ny fahazoan-dalana ahafahany mivarotra ny vokatra. Natao izany rehetra izany hahalasa ny indostria ODOF ho fanoitra ho amin’ny fampandrosoana ara-toekarena, hamorona asa ary hanome lanja ireo otrikarena isam-paritra. Pati
Legende : Nandritra ny fifanaovan-tsonia fikojana ny milina ODOF omaly tetsy Anosy !
 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Manamafy ny Fanjakana fa tsy mahasehaka ny saran’ny famokarana ny saran’ny famarotana ny angovon’ny Jirama,

Card image cap
17-oct-2024

Tsy ny famatsian-drano avy amin’ny JIRAMA na Jiro sy rano malagasy ihany amin’izao fotoana

Card image cap
17-oct-2024

Mahazo vahana tanteraka ny asa fivarotan-tena eto amintsika. Ankoatra ny amin’ny tambajotran-tserasera Facebook

Card image cap
OJM
16-oct-2024

Nitondra fampahatsiahivana ny Biraon’ny Holafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara na ny OJM

Card image cap
16-oct-2024

Raha tiantsika hiarina i Antananarivo dia jereo izay olona tsy nanao kolikoly, hoy ny mpanabe

Card image cap
16-oct-2024

Lasibatra indray ny mpanao gazety maro omaly, raha saika hanangom-baovao nandritra

Card image cap