airtel

Actualités

18-juin-2024

Firenena fadiranovana ara-angovo

Voasokajy ho faha-9 maneran-tany i Madagasikara

Sample post image

Voasokajy ho isan’ireo firenena faran’izay tsy misy misitraka herinaratra indrindra maneran-tany I Madagasikara.

18-juin-2024

36% ny taham-pisitrahana ho an’ny taona 2022 antsika ho eo amin'ny laharana faha-9 amin'ireo firenena zara raha misy herinaratra, araka ny tatitra momba ny fanadihadian’ny ODD 7 (Objectif de Developpement Durable) tamin’ny alalan’ny AIE (Agence internationale de l’énergie), izay mikendry ny hanome angovo takatry ny rehetra, azo antoka, maharitra ary maoderina. 2% isan-taona ihany ny salan’isan’ny fitomboana nanomboka tamin'ny taona 2010, izay tena ambany. Tamin'ny taona 2022, manodidina ny 18,9 tapitrisa ny mponina teto Madagasikara no tsy mbola nanana herinaratra, izay mampiseho fa mbola betsaka ny tsy fahampian'ny angovo eto amin'ny firenena. Ity toe-javatra izay voalaza fa iraisana amin’ireo firenena Afrikana maro hafa, indrindra fa ireo izay ao anatin'ny Sokajy Firenena izay zara raha mandroso (PMA). Mba hanatsarana ity toe-javatra ity, nankato ny fanohanana ara-bola 400 tapitrisa ho an'ny tetikasa DECIM (Connectivité numérique et énergétique pour l'inclusion à Madagascar) na fampifandraisana ara-nomerika sy angovo mivelatra eto Madagasikara, izay mikendry ny hampitombo avo roa heny ny tahan'ny fidirana amin'ny herinaratra, ho an’ny 33,7% ka hatramin'ny 67% amin'ny mponina. Tanjon’ny tetikasa ny hampiasa vola sy hanao fanavaozana lehibe mba hanomezana herinaratra ho an'ny olona 10 tapitrisa, anisan'izany ny tokantrano 2 tapitrisa sy ny tanàna 150 malaza ratsy, tsy voakarakara ara-angovo. Saika firenena Afrikanina avokoa moa ny 18 amin’ireo firenena 20 voalohany ambany indrindra ny fisitrahana herinaratra. I Birmanie sy Pakistan no mameno an’ireo. Ireto ireo 10 mitana ny rambony: Soudan Atsimo 5%, Burundi 10% ,Tchad 12%, Malawi 14% , Burkina Faso 19%, Niger 20%, RD Congo 21%, Mozambique 33% , Madagascar 36%, Tanzanie 46%. Na misy aza ireo endrika fivoarana asehon’i Madagasikara, indrindra fa ny fitomboan'ny tahan'ny fidirana amin'ny herinaratra isan-taona, dia mbola betsaka ny ezaka tokony hatao mba hahatrarana ny tanjon'ny fampandrosoana maharitra lovain-javy amin’ny angovo ho an'ny mponina rehetra. Efa kely no misitraka, kanefa potiky ny delestazy ny seha-pihariana. Lafo be ny saran’ny herinaratra kanefa mbola mivarotra fatiantoka aza ny Jirama, saingy mafy ny tsindrin’ny mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola na PTF amin’ny fampiharana ny vidiny tena izy. Vao herinandro izay no nolanian’ny depiote ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana na LFR 2024 ka mivoitra fa 1032 miliara eo ny vola atontona amin’ny Jirama, kanefa dia io tsy mety resy io ny delestazy. Ny tetikasa Volobe sy Sahofika izay antenaina hisy famokarana hatrany amin’ny 300Mw mbola lavitr’ezaka na atao fampanantenana politika lava aza !
Toky R

 

Dans la même rubrique

22-oct-2024

Nitroatra nidina an-dalambe indray ny vahoaka teny Ambohipo omaly takariva.

Card image cap
22-oct-2024

Mafy ny mahazo ireo mpifindra monina nalan’ny tompon’andraikitra tao amin’ny Faritra Menabe

Card image cap
22-oct-2024

Nitrangana toe-javatra mampalahelo tany Ankadilalana, Fokontany Mahazoarivo,

Card image cap